Talata 15 Septambra 2026

Avy any avaratra no iavian’ny mazava mitarehim-bolamena. Joba 37:22

Ny zavatra rehetra dia miara-miasa hahasoa izay tia an’Andriamanitra. Romana 8:28

 

Avy any avaratra no iavian’ny mazava mitarehim-bolamena

Joba dia lehilahy mpanankarena, ary noderain’Andriamanitra ny fitiavany vavaka. Notsapaina mafy izy : tao anaty fotoana fohy dia very ny fananany rehetra, maty ny zanany folo, very ny fahasalamany. Tsy nikomy tamin’Andriamanitra izy, nefa nihakivy nony farany. Dia nisy olona iray niseho, Eliho, hisarika ny sain’i Joba hihevitra Ilay Andriamanitra lehibe feno fiandrianana, Tompon’ny voary, ary koa Tompon’ny trangan-javatra rehetra eo amin’ny olombelona. Indreto teniny vitsivitsy :

— „Mahagaga ny fikotrokotrok’Andriamanitra amin’ny feony ; manao zava-dehibe tsy takatry ny saintsika Izy” (Joba 37:5). Tonga tampoka eo amin’ny fiainana ireo oram-batravatra : fizahana ara-pahasalamana mampitebiteby, fandroahana amin’ny asa, fahafatesana. Nefa Andriamanitra mifehy ny toejavatra.

— „Fantatrao va ny fihevahevan’ny rahona matevina, dia ny fahagagana ataon’Ilay tanteraka amin’ny fahalalana ?” (37:16). Mety ho very hevitra tanteraka isika, manoloana ny fitambolimbolin’ireo fitsapana sy fahasorenana. Nefa Andriamanitra mahalala ny fiainantsika, mahafantatra tsara izay ilaintsika.

— „Tsy hita ankehitriny ny mazava, izay mamirapiratra any amin’ny rahona : nefa raha mandalo ny rivotra, dia mampisava azy ihany izany” (37:21). Ny dikany lalin’ireo fitsapana mihatra amintsika dia mety ho ela vao ho takatsika. Nefa raha hitantsika, amin’ny finoana, ny fitiavan’Andriamanitra any ambonin’ireo rahona, dia mameno ny fontsika ny hazavany sy ny fiadanany.

— „Avy any avaratra no iavian’ny mazava mitarehim-bolamena” (37:22). Ny rivotra mangatsiaka avy any avaratra dia mitondra ireo fitsapana. Nefa Andriamanitra mahay mampiasa io rivotra io mba hamokarany mazava mitarehim-bolamena, mbamin’izay tsara indrindra eo amin’ny fiainantsika.

Ry kristiana, ny Raintsika any an-danitra dia mahafantatra antsika, tia antsika, ary te hanasoa antsika mandrakariva.