Alatsinainy 14 Septambra 2026

(Hoy Jesosy :) Izay mandre ny teniko ka mino Izay naniraka Ahy no manana fiainana mandrakizay ka tsy hohelohina ; fa tafafindra niala tamin’ny fahafatesana ho amin’ny fiainana izy. Jaona 5:24

Maizina ianareo fahiny, fa efa mazava ao amin’ny Tompo kosa ankehitriny. Efesiana 5:8

 

Fijoroana ho vavolombelona nataona vehivavy mpino iray any Chili

„Tamin’io hariva io aho dia nanapa-kevitra hamono tena, ka nanangona fanafody heverina fa hahafaty ahy ny mihinana azy. Hihinana azy ireo indrindra aho… no nisy nandondòna moramora tao am-baravarako. Niandry kely aho, avy eo novohaiko kely ny varavarana, ary nisy ankizy kely roa lahy nanome zavatra ahy sady niteny tamiko hoe : „Ho anao ity”. Dia lasa izy ireo… Izany dia alimanaka misy andinin-tSoratra masina iray hovakina isanandro, miaraka amina famoaboasana fohy. Nanomboka namaky ireo hafatra ireo aho. Hitako tao fa Jesosy Kristy dia maty nohomboana teo amin’ny hazofijaliana, ho ahy, nisolo toerana ahy, mba hamonjy ahy noho izay rehetra tsy fankatoavako an’Andriamanitra, ary mba hanome ahy aina vaovao, be dia be sy ho mandrakizay. Tamin’io alina io aho dia nino ny Filazantsara, ary niala tamin’ny fahafatesana ho amin’ny fiainana, niala tamin’ny haizina ho amin’ny hazavana.

Fa nahoana moa io alimanaka io no tonga teo an-tanako tamin’io fotoana io indrindra ? Fantatro nony ampitso maraina fa nisy alimanaka nozaraina tamin’ireo olona ambony. Ny iray tamin’izy ireo, azo antoka fa nihevitra ho tsy mila izany, dia nanome ny azy ho an’ny mpikarakara ny zaridainany. Ity farany dia tonga tao an-tranony, mamo tanteraka, ary tamin’izay no nahita fa alimanaka ara-Baiboly ilay izy. Nisafoaka izy ary nibaiko ireo zafikeliny roa lahy, hanome izany amin’izay olona hitany voalohany. Izany no nahatonga azy mirahalahy nandondòna tao am-baravarako”.

Avy lavitra ny naharaisanay io fijoroana ho vavolombelona io, nefa ny fiovana ifotony resahiny dia mbola afaka iainana ankehitriny, afaka iainanao, any amin’ny toerana misy anao amin’izao fotoana izao…