Alahady 13 Septambra 2026

Raha mijaly ny anankiray amin’ny momba ny tena, dia miara-mijaly avokoa izay rehetra momba ny tena ; fa raha omem-boninahitra kosa ny anankiray amin’ny momba ny tena, dia miara-mifaly avokoa izay rehetra momba ny tena. Ary ianareo no tenan’i Kristy, ka samy momba ny tenany avokoa, araka ny anjaranareo avy. 1 Korintiana 12:26-27

 

Ny maha iray ny tenan’i Kristy

Rehefa anontaniana ny olona momba ny fiheverany ny fivavahana kristiana, ireo valinteny, amin’ny ankapobeny, dia mahakasika ny endriny hita maso : antokom-pivavahana manana ireo fombafombany, fizotra samihafa, fanehoam-pinoana ampahibemaso, antontan’isan’ireo mpivavaka ao… Fa tsy dia fandre firy ny momba izay tsy hita maso, nefa io no votoaty, dia ny finoana tena izy, ny faharesen-dahatra anaty, ary ny fifamatorana vokatr’izany eo amin’ny mpino sy ny Tompony, fifamatorana tsy hita maso, fifamatorana ara-panahy. Mampianatra antsika ny Baiboly hoe misy koa fifamatorana ara-panahy eo amin’ny samy tena mpino. Raha vao mino amin’ny fony ny olona iray, ary mandalo amin’ilay antsoin’i Jesosy hoe ny fahateraham-baovao, dia mandray ny Fanahy Masina ary miray, amin’ny Tompo aloha, ary koa amin’ny mpino rehetra manerana izao tontolo izao. Izy ireo dia miara-mandrafitra ny Fiangonana, ilay tenan’i Kristy maneran-tany.

Na voazarazara sy miparitaka eran’ny tany aza ny Fiangonana, na tsy maintsy miafina indraindray, noho ireo fanenjehana, any amin’ny firenena sasantsasany, dia mihazona firaisana mirindra ara-panahy. Io maha iray io dia miseho amin’ny fifankatiavana ampidinin’Andriamanitra ao am-pontsika, aloha, fifankatiavana hafa, eo amin’ny toetrany sy ny halaliny, hafa noho ny fisakaizana na firaisam-po voajanahary eo amin’olona mitovy hevitra. Manaraka izany dia misy ireo fifaliana sy alahelo ifampizaran’ny samy mpino. Raha mijaly ny mpino iray, dia miara-mijaly aminy koa ireo hafa ; ary raha mifaly izy, dia ifampizarana io fifaliana io, noho ilay fifamatorana tokana aman-tany sy tsy hay ravana.

Ny finoantsika ve mahatakatra ny maha zavamisy ny firaisana ara-panahin’ny Fiangonana sy ny hakantony ?