Alakamisy 10 Septambra 2026
Na dia ny vano eny amin’ny lanitra aza dia mahalala ny fotoanandrony, ary ny domohina sy ny sidintsidina ary ny vanobe koa samy mitandrina ny fotoana fiaviany ; fa ny oloko kosa tsy mba mahalala ny fitsipik’i Jehovah. Jeremia 8:7
Mihainoa, dia ho velombelona ny fanahinareo. Isaia 55:3
Amin’ny alalan’ny kiakan’ny vano, maneno mafy tahaka trompetra, no andrenesantsika azy ireo, alohan’ny hahitantsika azy ireo. Avy eo izy ireo dia miseho tampoka, mitety ny habakabaka ao anatina firafitra miendrika V. Eny am-panidinana hiverina hianatsimo izy ireo. Fahita matetika io zava-mitranga io, nefa 600 taona tany ho any talohan’i Jesosy Kristy, ny mpaminany Jeremia dia efa nanoratra ny lahatsoratra etsy ambony.
Ny Baiboly dia tsy boky momba ny haivorona tsy akory. Marina izay lazainy momba ny voary, nefa manana tanjona mihoatra ny siansa. Ny Baiboly dia te hampianatra antsika bebe kokoa noho izay zava-mitranga tsotra. Ny zavatra dinihin’i Jeremia dia ampiany fanazavana matotra hoe : „Ny oloko kosa tsy mba mahalala ny fitsipik’i Jehovah”. Ny tombantsain’ireny voromanidina ireny dia ahatsapany fa akaiky ny ririnina, fantany fa tokony hitady toerana mafana kokoa izy, ary tsy misy olona mahasakana azy tsy handeha hialoka any ; ahoana kosa ny amintsika ? mba hialana amin’ny fitsarana.
Tsapantsika eo amin’ny voary sy amin’ny alalan’ny Baiboly fa isika dia miankina akaiky amin’Ilay Andriamanitra Mpahary antsika. Izy mihitsy no nametraka tao amin’ny fieritreretantsika hoe hisy fitsarana noho ireo tsy fankatoavantsika. Aiza no ho fialofantsika ?
Io toeram-pandraisana ho an’ny tsirairay io dia ny fon’ny Tompo Jesosy, fo feno fitiavana. Manasa antsika Izy hoe : „Mankanesa atỳ amiko, ianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana” (Matio 11:28). Ndao hihaino ny antson’i Jesosy ho amin’ny fiainana, fa tsy ho amin’ny fanamelohana : „Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa : Izay mandre ny teniko, ka mino Izay naniraka Ahy, no manana fiainana mandrakizay ka tsy hohelohina ; fa tafafindra niala tamin’ny fahafatesana ho amin’ny fiainana izy” (Jaona 5:24).