Zoma 11 Septambra 2026

Aoka samy halemy fanahy amin’ny namany avy ianareo, ka hifampiantra sy hifamela heloka, tahaka ny namelan’Andriamanitra ny helokareo ao amin’i Kristy. Efesiana 4:32

Andriamanitsika… hamela heloka dia hamela heloka tokoa. Isaia 55:7

 

Ahoana ny fomba hamelana heloka (1)

Ohatra iray alain-tahaka : ny famelan-keloka avy amin’Andriamanitra

Mba hamelana heloka ny hafa, dia zava-dehibe aloha, voalohany indrindra, ny mahatakatra sy mahatsapa ny fidadasiky ny trosako nefain’Andriamanitra. Mamela ny heloko Andriamanitra, tsy hoe satria mendrika izany aho, fa noho ny fitiavany sy noho ny sorona nataon’ny Kristy, Izay nitondra tamin’ny tenany ny fahadisoako rehetra : noho izany fotsiny ihany. Tsy vitan’ny hoe navelan’Andriamanitra ny heloko, rehefa nandray an’i Jesosy ho Mpamonjiko aho, fa mbola manohy manao izany Izy isaky ny manota aho, indrisy ! ary miodina aminy. Noho izany dia raisiko amin’ny finoana io famelan-keloka feno sy lavorary io, avy amin’Ilay Andriamanitra masina sy marina, Izay manome izany tsy misy fepetra.

Avy eo Andriamanitra dia mangataka ahy hamela heloka, toy ny namelana heloka ahy. Hoy ny Baiboly : „Mifandefera, ka mifamelà heloka ianareo, raha misy manana alahelo amin’ny sasany ; tahaka ny namelan’ny Tompo ny helokareo no aoka mba hamelanareo heloka kosa” (Kolosiana 3:13).

Ny mamela heloka dia tsy hoe safidy afaka atao na tsia, fa baikon’ny fitiavan’Andriamanitra. Ampianarin’i Jesosy isika hamela heloka ny olona rehetra, na dia ireo mankahala antsika aza ! Tsy misy fepetra… Marina fa misy fanafintohinana sasantsasany mety niteraka ratra lalina… Ahoana ny fomba hamelana heloka ? Andriamanitra irery ihany no afaka manome antsika ny hery hanaovana izany. Ndao lazaina Azy ny tsy fananantsika hery hamelana heloka amin’ny nahim-pontsika samirery, dia homeny antsika izany. Raisin’Andriamanitra ho zava-matotra ny hoe ilaina indrindra ny amelantsika heloka ireo izay mandratra antsika. Ny famelan-keloka dia tsy maintsy ao anatin’ny fiainana andavanandron’ny mpino, satria izy tenany dia misitraka izany koa.

(hitohy rahampitso)