Alarobia 9 Septambra 2026
Andriamanitra dia lehibe loatra ka tsy leon’ny zanak’olombelona. Joba 33:12
Tsy eranambatry va no vidin’ny tsintsina dimy ? nefa tsy misy hadinoina eo anatrehan’Andriamanitra ireny, na dia iray akory aza… Aza matahotra ; fa mihoatra noho ny tsintsina maro ianareo. Lioka 12:6-7
Io hariva io i Mélodie dia nivavaka, no nisy eritreritra tampoka nanohina azy ary nahatankina azy :
— Dada a, marobe ny olona miresaka amin’Andriamanitra amin’ny fotoana anaovako izany koa. Ahoana moa no hahafahany mihaino ahy ? Tsy maintsy mifandimby miteny ve ? araka ny lazain’ny mpampianatra rehefa miara-miteny ny ankizy rehetra. Nefa marobe ny olona eto an-tany, ka tsy hiverina matetika ny anjarako !
Nampatoky an’i Mélodie i Dada hoe :
— Andriamanitra dia afaka mihaino ny olona rehetra amin’ny fotoana iray mitovy, satria Andriamanitra Izy, ary tsy voafetran’inona na inona. Andriamanitra dia lehibe ka mihevitra ny tsintsina iray monja, na dia misy tsintsina an-tapitrisany maro aza : fantany avokoa izy ireny (Salamo 50:11). Aminy, ny zazavavy kely iray dia lehibe lavitra noho ny vorona iray, ary mihaino tsara Izy rehefa miteny aminy ianao, na dia maro aza ny olona hafa miresaka aminy koa amin’ny fotoana mitovy ! Nanohy i Dada hoe : Eny amoron-dranomasina, rehefa lohataona, heverinao ve fa kely kokoa ny masoandro ho anao ? satria efa misy olona marobe eo amin’ny torapasika. Mazava ho azy fa tsia ! Eo tokoa ny masoandro, ary misitraka azy ny tsirairay, ohatra ny hoe mibaliaka ho azy irery izy io. Na firy na firy ny isantsika, dia samy mandray anjara fahazavana mitovy isika ! Dia toy izany koa : mihaino anao Andriamanitra, toy ny hoe ianao irery no miresaka aminy.
Voafetra isika, ary tsy takatry ny saintsika ny halehiben’Andriamanitra. Arakaraka ny maha maro ireo olona mitady antsika no maha kely kokoa ny fotoana sy fifantohana afaka omentsika ny tsirairay. Andriamanitra anefa dia tsy manam-petra. Mahafantatra Izy, tia Izy, mikarakara ny zanany tsirairay Izy, toy ny hoe io zanany io irery no eo ! Ary Jesosy dia nanolotra ny ainy hamonjy ny tsirairay amin’izy ireo, toy ny hoe izy irery no eo (Galatiana 2:20).