Talata 8 Septambra 2026
Tsy tahaka ny afo va ny teniko ? hoy Jehovah, ary tsy tahaka ny kanonta manorotoro ny vatolampy va ? Jeremia 23:29
Dia hamaly izay miteny ratsy ahy aho, satria matoky ny teninao. Salamo 119:42
Nisy kristiana iray, nenjehin’ireo mpiara-miasa aminy tsy ankijanona sy norabirabin’izy ireo, nizaka tam-paharetana ireo fanimbazimbana sy eso. Indray andro ny iray tamin’ireo mpiombona asa aminy, mbola nasiaka kokoa noho ny fanaony, dia nihantsy azy tamina fitenenan-dratsy. Avy eo, sorena izy nahita azy tsy nihontsona ka niteny mafy hoe :
— Nahoana ianao no tsy mamaly ahy e ?
— Satria ny Baiboly mananatra ahy hoe : „Aza mamaly ny adala araka ny hadalany” (Ohabolana 26:4).
Taitra tamin’io valinteny io ilay lehilahy ka nihataka, tsy nanohy intsony. Fotoana vitsivitsy tatỳ aoriana dia nanatona ilay kristiana izy, ary niteny taminy hoe :
— Marina ilay nolazainao ahy.
Nanomboka tamin’io fotoana io izy, notairin’ny Tenin’Andriamanitra, dia nanatsahatra ireo esoeso sy fihantsiany.
Tsy azontsika an-tsaina ny hery mahatalanjona ao anatin’ny Baiboly, izay afaka mahakasika ny fo faran’izay mafy. „Fa velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra, ka maranitra noho ny sabatra roa lela, ka manindrona hatramin’ny fampisarahana ny aina sy ny fanahy ary … mahay mamantatra ny eritreritra sy ny fisainan’ny fo” (Hebreo 4:12). Jesosy Kristy, nanoloana ireo fakam-panahy naroson’i Satana tany an-taniefitra, dia nandresy ireo fanafihany tamina teny nifanaraka tamin’ny fakam-panahy isanisany. Tamin’izany Izy dia nandresy ilay fahavalo (Matio 4:1-11).
Ry kristiana namana, ndao hotadidina ireo ohatra ireo, na dia sarotra alain-tahaka aza. Aza hadinointsika fa ny Tenin’Andriamanitra dia „fitaovam-piadiana” manan-kery mandrakariva, azontsika ampiasaina. Iankinan’aina ny mamaky sy mitadidy azy, ary manonona azy am-piheverana.