Alatsinainy 7 Septambra 2026
(Hoy Jesosy :) Raha misaraka amiko kosa ianareo, dia tsy mahay manao na inona na inona. Jaona 15:5
Fa ny vokatry ny Fanahy kosa dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, fahamarinana, fahalemem-panahy, fahononam-po. Galatiana 5:22-23
Fony mbola zaza aho dia nihevitra hoe manana tanjaka sy toetra tsy misy ohatra izany ny raiko, ka ho afaka manohitra izay rehetra mety ho fitsapana. Indray andro anefa, mbola tanora aho tamin’izay, dia naratra tao amin’ny lamosiny izy, ary hitako fa nila ny olon-kafa teo amin’ny fiainany. Voatery nijanona teo amin’ny ray aman-dreniko aho mba hanampy azy ireo, mitondra ny raiko any amin’ny efitra fidiovana, manampy azy hiakanjo, ary manitsy ny tanany mihitsy aza hitondra eo am-bavany ny vera hisotroany rano. Tena nanetry azy izany. Niezaka izy tamin’ny voalohany hanao asa madinidinika, nefa tsy ela dia tsy maintsy niaiky hoe : „Tsy afaka manao na inona na inona aho, raha tsy ampianao.”
Tatỳ aoriana dia niverina ny fahasalamany, nefa nitondra lesona lehibe ho anay io zava-niainanay io, hoe mifampila isika rehetra.
Nefa mbola mila kokoa an’i Jesosy isika. Ampianariny antsika izany ao amin’ilay fanoharana ny amin’ny voaloboka sy ny sampany (Jaona 15). Mety mora hieritreritra isika hoe : „Tsy mila ampian’iza na iza aho”. Nefa milaza mazava ny Tompo Jesosy hoe : „Raha misaraka amiko kosa ianareo, dia tsy mahay manao na inona na inona”, tsy mahay manao na inona na inona mahasoa, mazava ho azy. Ny hoe mamoa dia ny manao izay ankasitrahin’Andriamanitra, am-pitiavana, am-pifaliana, am-piadanana… (andininy faharoa etsy ambony). Izany no namaritra manokana ny fiainan’i Jesosy ; koa izany koa no hamaritra manokana ny fiainantsika, raha mifamatotra amin’ny Kristy isika, toy ny rantsam-boaloboka mifamatotra amin’ny foto-boaloboka. Ny hoe mamoa dia ny miaina ny fiainan’ny foto-boaloboka. Amin’ny fomba ahoana ? Omen’i Jesosy antsika ny tsiambaratelo ho amin’izany : „Tomoera amiko, ary Izaho aminareo”. Ndao hikolokolo izany fifandraisana akaiky sy fiombonana aminy izany, mba hamoa be, ho voninahitr’Andriamanitra (Jaona 15:4-8).
(araka an’i John Blase)