Alahady 6 Septambra 2026

Jesosy Kristy … Tsy misy famonjena amin’ny hafa ; fa tsy misy anarana hafa ambanin’ny lanitra nomena ny olona izay hahazoantsika famonjena. Asan’ny Apostoly 4:10, 12

Koa amin’ny làlan’ny fitsaranao, Jehovah ô, no iandrasanay Anao, ny anaranao sy ny fahatsiarovana Anao no irin’ny fanahinay. Isaia 26:8

 

Aminao, iza moa Jesosy ?

Jesosy, anaran’olona lehibe iray fotsiny ve izany ? Sa anaran’ny Mesia, ny Kristy, Ilay Olona tonga avy amin’Andriamanitra ? Zavatra roa loha no mety hisy : na Jesosy dia olona fotsiny ihany, ary noho izany, ho antokom-pivavahana toy ny antokom-pivavahana rehetra ny finoana kristiana ; na Jesosy mihoatra noho ny olona, ary amin’izay fotoana izay dia Izy no hany lalana mankany amin’Andriamanitra. Tsy afaka atao ny mianina fotsiny amina fihetseham-po na amina petrakevitra momba io lohahevitra io. Koa tsy maintsy mamotopototra, mamaky ny Baiboly am-pitandremana sy tsy mitanila. Dia hahita fa ambaran’ny Baiboly mazava, ary imbetsaka, hoe Jesosy no Ilay Zanak’Andriamanitra. Ary araka ny maha Zanak’Andriamanitra Azy, Izy dia Andriamanitra. „Ny Teny dia Andriamanitra… Ary ny Teny dia tonga nofo” (Jaona 1:1, 14).

Tonga tetỳ an-tany tahaka zazakely Izy, ary nomena anarana. Nisy anjely tonga nilaza tamin’i Josefa hoe : „Maria … hiteraka Zazalahy …, ary ny anarany hataonao hoe JESOSY” (Matio 1:20-21). Io anarana Jesosy io, midika hoe „Andriamanitra Mpamonjy”, dia anarana „ambony noho ny anarana rehetra” (Filipiana 2:9). Fantatry ny mpino ny herin’io anarana io : mamonjy, manafaka ny olona very, ary mitondra fiadanana ho azy.

Ankehitriny Jesosy dia any an-danitra, eo anilan’ny Ray, ary mbola mitondra hatrany io anarana io. Rehefa nosakanana hazavana lehibe i Saoly avy any Tarsosy, teny an-dalana ho any Damaskosy, dia nanontany hoe : „Iza moa ianao, Tompoko ?”, ka nahare feo avy any an-danitra hoe : „Izaho no Jesosy” (Asan’ny Apostoly 9:5). Indray andro any, rehefa hotononina io anarana io, dia handohalika eo anatrehany ny zavamananaina rehetra noarìna, ary hanaiky fa Jesosy Kristy no Tompo (Filipiana 2:10-11).