Asabotsy 5 Septambra 2026

Aza manahy na inona na inona ; fa aoka ny fivavahana … no hoentinareo manambara ny fangatahanareo amin’Andriamanitra, amin’ny zavatra rehetra. Ary ny fiadanan’Andriamanitra, izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra, hiaro ny fonareo sy ny hevitrareo ao amin’i Kristy Jesosy. Filipiana 4:6-7

Ny fahatahorana an’i Jehovah dia fiarovana mahatoky. Ohabolana 14:26

 

Ny fahatahorana an’Andriamanitra

Ny kristiana dia taomina tsy hiaina isanandro ao anatin’ny tahotra, fa hiantehitra kosa amin’ny fiarovan’Andriamanitra sy ny tsy fiovany. Mora tenenina erỳ izany, ary indraindray sarotra tanterahina. Nefa ny Baiboly dia mirakitra andininy maro manosika antsika hilamin-tsaina sy hatoky : „Aza matahotra na mivadi-po ianao” (Deoteronomia 31:8). „Aza matahotra ianao, fa momba anao Aho ; ary aza miherikerika foana, fa Izaho no Andriamanitrao” (Isaia 41:10)… Amin’ny alalan’ny vavaka isika dia manatona ny Tompo, Izay mampanalavitra ny tebitebintsika ary manome antsika ny fiadanany. Ao anatin’io fifandraisana tena izy aminy io isika dia miaina ny fitiavany sy ny fanohanany.

Miresaka fahatahorana iray hafa ihany koa ny Baiboly, dia ny fahatahorana an’Andriamanitra ; tsy hoe ny tahotra tsy akory, fa ny fanajana mendrika Azy. Rehefa mahatsapa ny toetran’Ilay Andriamanitra sady Raintsika feno fitiavana sy fahamasinana isika, dia matahotra ny tsy hankasitrahiny, na eo amin’ny fisainantsika na eo amin’ny fitondrantenantsika. Ny bokin’i Joba dia mampianatra antsika hoe ny fahendrena dia mifamatotra amin’io fahatahorana io. „Indro, ny fahatahorana ny Tompo no fahendrena, ary ny fialana amin’ny ratsy no fahalalana” (Joba 28:28). Tian’Andriamanitra isika ary antsoina mba hitia Azy koa, izany no mitarika antsika hikatsaka am-pahendrena (sy am-pahatahorana) izay ankasitrahiny. Io fahatahorana io no tena fitsipika fototry ny fitondrantena masina, ho ana mpino maniry hanalavitra ny ratsy (Ohabolana 14:16). Mba hanome haja ny Tompo ny fiainantsika, dia hitari-dalana sy hanafaka antsika Izy, eto amin’izao tontolo manahirana izao : Izay matahotra an’Andriamanitra dia ho afaka amin’ny zavatra rehetra (Mpitoriteny 7:18).