Zoma 4 Septambra 2026

Fa ny fombany (fomban’Andriamanitra) tsy hita, dia ny heriny mandrakizay sy ny maha-Andriamanitra Azy, dia miseho hatramin’ny nanaovana izao tontolo izao, fa fantatra amin’ny zavatra nataony ; ka dia tsy manan-kalahatra ireo (ny olona). Romana 1:20

 

Tsy manan-kalahatra

Fihevitr’olona iray nahazo ny Loka Nobel momba ny fitsaboana : „Tsy misy afa-tsy fomba roa no azo iheverana ny fiandohan’ny aina : ny iray dia ny fiforonana tonga ho azy ary mitohy araka ny fivoarana, ny faharoa dia fahariana mihoatra ny herin’olombelona, fahariana nataon’Andriamanitra. Tsy misy fanintelony. Ny fiforonana tonga ho azy dia notsipahina ara-tsiansa, ka mamela antsika eo amin’ny fehin-kevitra hoe ny aina dia noforonin’Andriamanitra. Nefa tsy ekeko izany, noho ny antony ara-pilôzôfia, satria aho tsy te hino ny fisian’Andriamanitra. Noho izany aho dia misafidy ny hino ny fiforonana tonga ho azy, izay fantatro ara-tsiansa fa tsy afaka hisy.”

Io teny notanisaina io dia mampiseho ny toe-tsain’ny olona tsy mino fa misy Andriamanitra : „Ny adala manao anakampo hoe : Tsy misy Andriamanitra” (Salamo 14:1). Ny andinin-tSoratra masina androany dia milaza fa tsy manan-kalahatra ny olona, raha toa tsy mahita ny asan’Andriamanitra ao amin’ny voary. „Ny lanitra mitory ny voninahitr’Andriamanitra ; ary ny habakabaka manambara ny asan’ny tànany” (Salamo 19:1). Fony tetỳ an-tany Jesosy dia nanambara hoe : „Tsy mety manatona Ahy ianareo, hanananareo fiainana” (Jaona 5:40). Ireo asa nataon’i Jesosy dia nanaporofo ny maha Andriamanitra Azy, ary nanamarina ireo faminanian’ny Testamenta Taloha momba ny Mesia. Nefa dia nandà tsy hino ny zavamisy miharihary ireo mpiara-belona taminy.

Andriamanitra dia naneho ny tenany tamin’ny olona tao amin’ny fahariany, tao amin’i Jesosy maty sy nitsangana velona indray, ary tamin’ny Teniny, dia ny Baiboly. Isika ve dia handà tsy hino ireo fanambaran’Andriamanitra tena mazava ireo ? sa kosa te handray ny tanany mitsotra sy hino izay lazain’Andriamanitra antsika ? Hoy Izy amintsika : „Mankanesa atỳ amiko — Mihainoa, dia ho velombelona ny fanahinareo” (Isaia 55:3).