Alakamisy 3 Septambra 2026
Maria… nipetraka teo anilan’ny tongotry ny Tompo, ka nihaino ny teniny. Lioka 10:39
Vokiso ny famindramponao nony maraina izahay, mba hihobianay. Salamo 90:14
Ndao hanokana fotoana milamina iray, mba hihaonantsika amin’i Jesosy. Matetika dia ny maraina izany, alohan’ny hiatrehana ireo asa maro samihafa hatao mandritra ny andro. Jesosy mihitsy no manome ohatra amin’izany : „Nifoha marainalinakoa Izy, dia nivoaka nankany an-tany foana ka nivavaka tany” (Marka 1:35). Ao amin’ny bokin’i Isaia dia izao no vakintsika : „Jehovah Tompo … ampandrenesiny isa-maraina isa-maraina, eny, ampandrenesiny ny sofiko hihaino tahaka ny efa mahay (tahaka ireo izay ampianarina)” (50:4). Nanoratra i Davida hoe : „Jehovah ô, maraina no handrenesanao ny feoko ; maraina no hivavahako aminao, ka hanandrandra aho” (Salamo 5:3). Daniela dia nanana fahazarana niditra intelo isanandro tao an’efitranony, mba ho irery mandritra fotoana fohy miaraka amin’Andriamaniny (Daniela 6:11).
Marina fa tsy mitovy avokoa ny hafaingana araka haiaina ao amintsika rehetra, na ireo teritery ara-pianakaviana na araka asa. Ny sasany dia „vao maraina” kokoa, ary ny hafa kosa „rehefa hariva”. Nefa ndao hitandrina mba tsy hanaiky ho difotra : isika dia miaina ao anaty tontolo toa tsy ampy intsony ny halavan’ny andro ; mitohy mora foana amin’ny alina ny zavatra tokony hatao : ny asa, ny fianarana, ny fialam-boly…
Mba hihaonana amin’i Jesosy, dia ndao hampahery tena hahita fotoana ahafahantsika mampiasa izay rehetra fahaiza-manaontsika, ny herintsika manontolo, sy ahafahantsika manana saina malalaka, mba hivavahana sy hamakiana ny Baibolintsika, izay Tenin’Andriamanitra. Io „fitandroana fahasalamana ara-panahy” io no fanalahidin’ny fandrosoantsika ao amin’ny fifandraisana amin’ny Tompo sy ny fijoroantsika ho vavolombelona kristiana.