Alarobia 2 Septambra 2026
Lehibe Andriamanitra, kanefa tsy mba mamingavinga. Joba 36:5
Manatòna an’Andriamanitra, dia hanatona anareo Izy. Jakoba 4:8
Albert Einstein dia nandany ny ampahany farany tamin’ny fiainany tany Etazonia. Indray hariva, hono, nony tonga tao amin’ny gara tao Princeton izy dia nisy zazalahy iray, efa niandry elaela ny fahatongavan’ny fiarandalamby, nanatona azy. Menamenatra ilay ankizy, nangataka an’ity lehilahy lehibe mba hanazava aminy laza olana matematika iray. Na dia efa sasatra taoriana-na tontolo andro feno aza ilay profesora, dia nanaiky tam-pitsikiana hanao izany. Ary teo, nipetraka tambonina dabilio, teo anivona vahoaka nivezivezy, ilay manampahaizana fanta-daza dia mba nanaiky hanokana minitra vitsivitsy hanampiana ankizy iray hanao ny enti-modiny. Angamba hitanao hoe mba sahisahy koa ity ankizy tonga niresaka laza olana bitika tamin’olona ambony aoka izany ! Nefa nahafantatra izy fa niresaka tamin’ilay afaka hanampy azy. Dia tsy diso fanantenana izy.
Na dia nanan-tsaina namiratra toy inona aza i Einstein, dia olombelona ihany. Isika kosa dia manan-draharaha amina Iray mahery lavitra, dia Andriamanitra tenany mihitsy, Mpahary ny lanitra sy ny tany. Io Andriamanitra lehibe izaitsizy io dia nanao izay hahafahan’ny olombelona manatona Azy ; tonga Olona tao amin’i Jesosy Kristy Izy. Dia namaha ny olana lehibe indrindra teo amintsika Izy, ny olana momba ny ota, tamin’ny alalan’ny sorona nataony teo amin’ny hazofijaliana. Izy ve tsy afaka hanampy antsika ihany koa, amin’ireo olana miseho eo amin’ny fiainantsika andavanandro ? Tsy fantany tanteraka angaha ny toerana misy antsika ? ireo fanontaniana ao anatintsika ? ireo filantsika lalina ?
Aza misalasala isika, manatona Andriamanitra toy izany, amin’ny alalan’ny vavaka. Fantatsika fa mihaino antsika Izy. Mahery Izy ary afaka hatonina. Ary tia antsika Izy.