Talata 1 Septambra 2026

Ny tanin’ny lehilahy manankarena anankiray nahavokatra be… Hilaza amin’ny fanahiko hoe aho : Ry fanahy ô, manana fananana be voatahiry ho amin’ny taona maro ianao ; mitsahara, mihinàna, misotroa, mifalia. Fa Andriamanitra kosa nanao taminy hoe : Ry adala, anio alina no halaina aminao ny fanahinao, ka ho an’iza izay zavatra noharìnao ? Lioka 12:16, 19, 20

 

Mangorona harena be ve ?

Tsara vakina : Lioka 12:16-21

Io fanoharana io dia mirakitra lesona lehibe ho an’ny mpino rehetra. Fanoharana manasongadina fahadisoana fototra telo, mety hataontsika mora foana.

— Fahadisoana voalohany. Ny mihevitra fa ny vola sy ny harena dia miantoka ny filaminantsika. Ara-drariny ny fanomanana vatsy hitsinjovana ny hoavy, nefa aza hadinoina fa mety hisy zava-tsy nampoizina hanakorontana ny fiainantsika (tsy fisiam-bola, tsy fananana asa…), ary hamotika ny nofinofintsika nihevi-tena hoe nilamina.

— Fahadisoana faharoa. Ny mihevitra fa ireo fananantsika dia mitondra fiadanana anaty. Aorianan’ny fanoharana, ny Tompo Jesosy dia mampahatsiaro ireo mpangalatra. Arakaraka ny habetsaky ny fananantsika no tsy maintsy hiarovantsika ireny. Tsy hanam-pitsaharana isika.

— Fahadisoana fahatelo. Ny mihevitra fa rehefa mahatratra haavo iray, dia manana ny ampy. Misy ohabolana iray milaza amintsika hoe arakaraka ny ananana be no aniriana be kokoa. Ny Baiboly koa dia milaza hoe : „Izay tia vola, tsy hety ho voky vola” (Mpitoriteny 5:9). Ity lehilahy manankarena ity dia te hanitatra ny fitehirizam-bokany. Ny olona miaina toa azy dia tsy mety ho voky. Ny tontolo ihodinkodinan’izy ireo dia mahafanina ary mihodina haingana kokoa hatrany, sady manodidina azy ireo samirery ihany. Ilay mpamboly manankarena dia tsy nihevitra afa-tsy ny tenany, fa tsy mba nihevitra ny hafa.

Entanin’io fanoharana io isika mba ho „manankarena ny amin’Andriamanitra” (io andininy io no mamintina ny fanoharana). Ary ampianariny isika hoe ao amin’ny Tompo irery no ahitana ny fiadanan’ny fanahy. Isika ve mitady ny hiankina amin’ny Tompo ? sa amin’ny fananantsika ara-karena ?