Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Ny folaka hohamarako, ny malemy hohatanjahiko. Ezekiela 34:16

Ny Tompo nitsangana teo anilany tamin’iny alina iny ka nanao hoe : Matokia. Asan’ny Apostoly 23:11

 

Jesosy, Izy no herimpoko

Tamin’io 26 janoary 2018 io i Christine, 16 taona, namakivaky niaraka tamina namana ny faribohitra Bab Touma any Damaskosy, no nisy balan-tafondro madinika an-jatony nilatsaka tampoka. Naneno manerana ny tanàna ny anjombon’ireo fiara vonjy marary, ary tsy nitsahatra nitombo ny isan’ny maratra naiditra tany amin’ireo hôpitaly. Anisan’izany io tovovavy mpianatra io. Tsy afa-nihetsika efa ho dimy volana izao i Christine, ary mijoro ho vavolombelon’ny zavatra niainany.

— Nampivarahontsana ireo ora voalohany… Nony tonga tany amin’ny hôpitaly aho dia nanomboka nahatsapa hoe tsara vintana ihany, tsy maty, na tsy teo intsony aza ny tongotro ilany. Tsy nahasakana ahy tsy hitsiky ny fanaintainana, ary nanomboka nivavaka tamin’Andriamanitra aho, mba ho farany amin’ireo tra-dozan’ireny tafondro kely ireny… ary mba havelany heloka ireo izay nitifitra tamin’ireny.

— Raha tsy mamela heloka dia tsy afaka miara-miaina aman’olona, hoy ny rainy, niaiky.

— Ao anatiko lalina ao aho dia nahatsapa fisiana hery nahazakako izao zava-doza izao, hery mihoatra ny herin’olombelona. Io dia ny fanatrehan’ny Kristy sy ny fitiavany.

— Tena be herimpo ny zanakay, hoy ny reniny, mijoro ho vavolombelona. Izy no manome faharipo anay.

— Manohy anakampo i Christine, hoe nesorin’Andriamanitra tamiko ny tongotro iray, mba hanomezany ahy zavatra sarobidy kokoa, dia fiainana vaovao sy ny fisiany eto anilako. Jesosy, Izy no herimpoko, ary ampy ahy izany.

Na eo aza ny kilemany, dia mitodika amin’ny fomba hentitra amin’ny hoavy izy.

— Amin’ny fiantombohan’ny volana septamba aho dia hiverina hianatra indray. Amin’ny fidirana aho dia hahazo ny solon-tongotro voalohany, ary ho afaka mandeha indray.