Alahady 30 Aogositra 2026

Mahereza ao amin’ny Tompo sy amin’ny herin’ny faherezany. Tafio avokoa ny fiadian’Andriamanitra, mba hahazoanareo hifahatra amin’ny fanangolen’ny devoly. Efesiana 6:10-11

Manoatra noho ny mpandresy isika, amin’ny alalan’Ilay tia antsika. Romana 8:37

 

Fitafiana tokony hanaovana : fiadiana (2)

Sarotra mandrakariva ny ady. Izao anefa ny vaovao mahafaly : ny mpino dia miandany amin’Ilay Mpandresy, Jesosy Kristy, Izay tia antsika. Ny mifikitra mafy aminy no tokony hatao. Andriamanitra dia manome antsika ny fiadiany rehetra, mba hiatrehantsika io ady io (jereo Efesiana 6:10-20). Ady ara-panahy amin’i Satana io, fa tsy amin’olona. Izany fiadiana izany dia voarafitra singa fito :

— ny fahamarinana atao sikina : ny mpino dia tsy maintsy miaina fiainana manome voninahitra an’Andriamanitra, fiainana mifanaraka amin’ny Baiboly, ary koa tsy maintsy miambina mba hilaza ny marina mandrakariva ;

— ny rariny ho fiarovan-tratra : mitandrina ny mpino mba hanana fitondrantena mahitsy eo anatrehan’Andriamanitra sy ny olona ;

— ny fahavononam-panahy avy amin’ny filazantsaran’ny fihavanana ho kiraro : miaina am-pilaminana eto amin’izao tontolo izao ny mpino, amin’izay dia mijoro ho vavolombelon’ny Kristy : „Mihavàna amin’Andriamanitra anie ianareo” (2 Korintiana 5:20) ;

— ny finoana ho ampinga : matoky an’Andriamanitra ny mpino, eo amin’ny zavatra rehetra momba azy andavanandro, indrindra ao anaty fitsapana ;

— ny famonjena ho fiarovan-doha : tokony tsy hatahotra ny mpino, fantany fa voavonjy ho mandrakizay izy, noho ny sorona nataon’ny Kristy teo amin’ny hazofijaliana ;

— ny Tenin’Andriamanitra ho sabatry ny Fanahy : Jesosy dia nitanisa ny Baiboly hamaliana ireo fakam-panahy naroson’i Satana : izao hatrany no navaliny : „Voasoratra hoe” (Lioka 4:4, 8, 12) ;

— ary farany, ny vavaka dia fiadiana mahery, tena fototra. Ny vavaka dia mihazona antsika hifandray amin’Andriamanitra, mba hitarihany antsika isaky ny dingana tsirairay. „Miareta tory ianareo, ka mivavaha, mba tsy hidiranareo amin’ny fakam-panahy” (Marka 14:38). Ndao hitafy sy hikolokolo io fiadiana io ; ndao ho vonona hiady.