Asabotsy 29 Aogositra 2026

Hifaly dia hifaly amin’i Jehovah aho… Fa notafiany fitafiana famonjena aho, ary nakanjoiny akanjo fahamarinana, toy ny mpampakatra misatroka hamama tahaka ny mpisorona, ary toy ny ampakarina miravaka ny firàvany. Isaia 61:10

Ianareo … dia nitafy an’i Kristy. Galatiana 3:27

 

Fitafiana tokony hanaovana : akanjo lamban-drongonimbazaha (1)

Ao amin’ny Lapa mimandan’i Castelnaud, any Frantsa, dia misy fampirantiana akanjo vy maro tamin’ny vaninandro antenatenany. Fa ny tsy hita maso dia ny akanjo lamban-drongonimbazaha tsy maintsy notafiana, alohan’ny hanaovana ny akanjo vy.

Ambaran’ny Baiboly fa ny kristiana dia tokony hitafy fiadiana (Efesiana 6:10-20). Nefa misy koa dingana mialoha atao, dia ny „mitafy akanjo lamban-drongonimbazaha”, izany hoe „mitafy” an’i Kristy. Ny hoe mitafy Azy dia midika hoe nandray Azy ho Mpamonjy sy maneho ireo toetra tsarany : fahamarinana, fanetrentena, fahalemem-panahy, faharipo, ary hatsaram-panahy tanteraka… taratry ny toetrany, izay fitiavana sy fahazavana. Izany dia mifanohitra amin’ny maha izaho ahy, mpanota eo anatrehan’Andriamanitra. Ho an’ireo rehetra miaiky ny tsy fahombiazany, Jesosy dia maneho ny tenany ho Mpamonjy. Nanolotra ny ainy teo amin’ny hazofijaliana Izy, mba hanafaka azy ireo tsirairay. Izay mitodika aminy dia omeny fiainana mandrakizay. Koa ny hoe „mitafy an’i Kristy”, dia ny miaina io aina vaovao azony ho antsika io.

Izany no teboka fiaingana fiainana kristiana. Nefa eto amin’ity tontolo nanombo ny Kristy teo amin’ny hazofijaliana ity, vetivety ny kristiana dia miatrika ny hery mahatarik’i Satana, izay mampanalavitra antsika amin’Andriamanitra.

Manoloana ny loza, indraindray isika dia tena tsy maintsy mandositra —ohatra ireo fakam-panahy na ireo naman-dratsy mitarika antsika hanota-, satria tsy manana hery anaty, manoloana ireny fitaomana ireny. Nefa taomin’Andriamanitra ihany koa isika hiady, rehefa manafika ny finoan’ny kristiana i Satana. Amin’izay, ny miady dia ny mitafy fiadiana mba hanoherana ireny fanafihana ireny, toy ny nataon’i Jesosy, tamin’ny nanononany ny Tenin’Andriamanitra (Matio 4:1-11).

Izany no ho hitantsika rahampitso !