Zoma 28 Aogositra 2026

Andeha hiverina ho amin’i Jehovah isika ; fa Izy no namiravira, ary Izy ihany no hahasitrana antsika ; Izy no namely, ary Izy no hamehy ny ferintsika. Hosea 6:1

Samy nania avokoa izy rehetra, samy tsy mahasoa avokoa izy rehetra ; tsy misy izay manao ny tsara, na dia iray akory aza. Romana 3:12

 

Fiverenana amin’ny laoniny

Reraky ny valanaretina sy ireo faneriterena vokatr’izany isika, ka niandrandra „fiverenana amin’ny laoniny”. Ny hoe „laoniny” dia izay araka ny niainana talohan’ny valanaretina. Nefa tena laoniny tokoa ve ilay fiainana matetika loatra tsy misy fanahiana sy feno fitiavan-tena ? Eto amin’izao tontolo ankehitriny izao, ara-dalàna ve ny isiana vahoaka marobe maty mosary, nefa misy hafa manary hanina isanandro ? ara-dalàna ve ny manimba ny planeta nankinin’Andriamanitra tamin’ny olombelona ? ara-dalàna ve ireo ady mamono olona tsy manan-tsiny an’arivony ?

Raha misy valanaretina, ady, sns., na dia tsy Andriamanitra aza no niavian’izay ratsy mitranga, izany ve tsy hafatra tiany hampitaina amin’ny olombelona ? mba hampanontany tena ny tsirairay ny amin’ny tena atao hoe ara-dalàna. Isika ve tsy nanorina tontolo tsy misy an’Andriamanitra ? Nefa ara-dalàna ve ny miaina tsy miraharaha an’Andriamanitra ?

Amin’ireny zava-mitranga rehetra ireny dia taomin’Andriamanitra isika hiverina hampifantoka ny saintsika amin’ny zavatra fototra. Inona moa no zava-dehibe kokoa noho ny fananana indray fifandraisana amin’Ilay Andriamanitsika, Mpahary izao tontolo rehetra izao ? Inona no lehibe kokoa noho ny fahitana fa Izy dia nanatona antsika araka ny maha Andriamanitra Mpamonjy Azy, tamin’ny nahatongavany tetỳ an-tany ? Nitafy nofo Izy mba hampahafantatra ny tenany tao amin’i Jesosy Zanany. Tonga Jesosy mba hilaza amintsika hoe lavitra an’Andriamanitra isika ao amin’ny fisainantsika, mizotra eo amina lalana fikomiana, lalana mampidi-doza mitondra ho amin’ny fahafatesana ; nefa mba hanambara ihany koa hoe hay atao ny manatona ny hazavana, mandray ny fiainana mandrakizay. Amin’izay isika dia afaka manana fifandraisana feno fatokiana aminy sy miantso Azy hoe Andriamanitra Raintsika.

Izany no atao hoe miverina amin’ny laoniny. Efa nirin’Andriamanitra hatrizay ny hizara ny fiadanany sy ny fahasambarany amin’ny olombelona.