Alakamisy 27 Aogositra 2026

(Hoy ny Tompo :) Mihainoa ianareo, ka mandrenesa ny feoko ; mitandrema, ka mandrenesa ny teniko. Isaia 28:23

Fa efa tonga ny Zanak’olona hitady sy hamonjy ny very. Lioka 19:10

Mibebaha ianareo, ka minoa ny filazantsara. Marka 1:15

 

Mitady ahy Andriamanitra !

Indray tolakandro mibaliaka masoandro dia nanara-maso ny lalaon’ireo zafikeliny teo amorona farihy i Bernard, ary lasa eritreritra nandinika andiana tanora iray. Nihira teo an-kalamanjana ny finoana kristiana ananany izy ireo. Ny iray tamin’ny mpiara-dia tamin’izy ireo dia nipetraka teo amin’ny dabilio nisy an’i Bernard, izay hita miharihary fa tohina, ary nitodika tany aminy, ka niteny hoe :

— Tena mitady ahy mihitsy Andriamanitra !

— Ie, izany tokoa.

Dia nohazavain’i Bernard fa fanintelony izao, nandritra ity lohataona ity, no naharenesany izany hira izany, nohiraina andian-tanora samy hafa.

Ny resaka nifanaovana avy eo no nahalalany fa tena mitady azy tokoa Andriamanitra, satria tia azy, satria te hanafaka azy amin’ny vesatr’ireo fahotany. Tohina tamin’ny toejavatra vao niainany i Bernard, ka tena mora nandray ny teny henony. Faly izy nandray ny Testamenta Vaovao sy ireo lahatsoratra natolotra azy, ary nanome toky fa hamaky an’ireo.

Aminy, io no fifanenana nisy vokany azo tsapain-tanana amin’Ilay Andriamanitra Fitiavana sy Mpanafaka, Izay efa nitady azy efa taona maro. Farany izy dia nanaiky hotiavina amin’izay, ary Jesosy dia nanjary Mpamonjiny.

Ianao izay mamaky izao andalan-tsoratra izao, ary mety tsy niraika tamin’ny fiantsoan’Andriamanitra, hatreto, mitady anao Izy. Aza mandà tsy ho hita, ka hahatofoka ny faharipony lehibe. „Indro, ankehitriny no andro fankasitrahana ; indro, ankehitriny no andro famonjena” (2 Korintiana 6:2).