Alarobia 26 Aogositra 2026
Nandoka tena ho hendry izy ka tonga adala… ary ny fahamarinan’Andriamanitra dia nosoloany lainga. Romana 1:22, 25
(Hoy Jehovah :) Fa tahaka ny haavon’ny lanitra noho ny tany no haavon’ny làlako noho ny làlanareo sy ny fihevitro noho ny fihevitrareo. Isaia 55:9
Amin’izao androntsika izao dia heverina ho mendri-piderana ny mampiseho fahalalaham-pijery, mba hampisy ny fandeferana, eo amin’ny sehatra ara-toe-panahy na eo amin’ny resaka finoana. Hisy hiteny aminao hoe : „Ny tsirairay dia malalaka hisafidy ny antokom-pivavahana harahiny”. Nefa raha toa ianao mba manambara faharesen-dahatrao manokana momba an’Andriamanitra sy ny fiheveranao ny aminy, na milaza ny fanananao antoka momba ny hoavinao mandrakizay, dia matetika no ampangaina ho be hambo, tsy manana fandeferana na mpifikitra amin’ny mahazatra !
Nefa tsy ny fiarahamonina na izaho samirery no nanapa-kevitra hisiana „lalànan’anton-javatra mitera-bokatra”, izay tsy azo ihodivirana. Ohatra, raha manongotra sy mihinana ny holatra rehetra heveriko ho tsara aho, nefa tsy maka hevitra amina boky na mpivaro-panafody, dia mety hotandindomin-doza. Ary ahoana ny hiheverana ny mpampiasa milina iray tsy miraharaha ny torolalan’ny mpanamboatra izany ? Afaka tsy mandraraka menaka ao anatin’ny môteran’ny fiarakodianao ianao, malalaka ianao ny amin’izany… nefa aza mitaraina amin’ny mpanamboatra fiara rehefa avy eo !
Tsia, fa ny finoana dia mandray ireo fanambaran’ny Baiboly ho filazana fahamarinana avy amin’Andriamanitra, Izay manana fahefana, fahendrena, ary fitohizana mahari-tra tsy iadian-kevitra. Io fahamarinana io dia tsy hain’ny fiheverantsika ifanoharana mihitsy ; io no fanehoana an’Andriamanitra, amin’ny alalan’i Jesosy Kristy, hain’izay rehetra mitady Azy an-kitsimpo raisina.
Fantatry ny kristiana fa rehefa mamaky ny Baiboly izy, dia ny Tenin’Andriamanitra no henony, ary io Teny io no mitari-dalana azy.