Talata 25 Aogositra 2026
Enga anie ka hisy hihaino ahy ! Indro ny soniako ! Enga anie ka hamaly ahy ny Tsitoha ! Joba 31:35
Koa dia nilaza izay tsy fantatro aho, dia zava-mahagaga loatra amiko, izay tsy takatry ny saiko… Koa dia miaiky sy mibebaka … aho. Joba 42:3, 6
— „Iza moa aho ? Ahoana ny fomba nidirako teto amin’izao tontolo izao ? Nahoana no tsy mba nanontaniana ny hevitro ? … Iza no tokony hametrahako ny fitarainako ?” (S. Kierkegaard)
— „Ralehilahy, fa iza moa ianao, no mamaly an’Andriamanitra ?” (Romana 9:20) ; „Hidera Anao aho ; fa mahatahotra sy mahatalanjona ny nanaovana ahy” (Salamo 139:14).
— „Ianao sy ny hazo dia narafitra tamina singa mitovy maro… Ianao dia tahaka fiolanolanana, onja, fikobankobanana, fiolikolihana, tadio, fisafotofotoana, eto amin’izao tontolo rehetra izao.” (D. Chopra)
— „Andriamanitra nahary ny olona tahaka ny endriny ; tahaka ny endrik’Andriamanitra no namoronany azy ; lahy sy vavy no namoronany azy… Ary hitan’Andriamanitra izay rehetra nataony, ary, indro, tsara indrindra izany” (Genesisy 1:27, 31).
— „Hatramin’ny fara fofonaiko, dia hiezaka hahatakatra aho. Hahatakatra hoe aiza no misy ahy, sy hoe inona aho, sy izay ataoko eto, sy ny dikan’izany.” (R. Barjavel)
— „Diniho ny fahagagana ataon’Andriamanitra” (Joba 37:14) ; „Indro, tsinontsinona aho, ka inona no azoko avaly Anao ? Hitampim-bava aho izao” (Joba 40:4).
— „Raha tsy misy Andriamanitra, dia azo atao avokoa ny zavatra rehetra.” (F. Dostoïevski)
— „Tsy misy marina na dia iray akory aza… Fa samy efa nanota izy rehetra, ka tsy manana ny voninahitra avy amin’Andriamanitra” (Romana 3:10, 23) ; „Nefa hampamoahin’Ilay efa vonona hitsara ny velona sy ny maty izy” (1 Petera 4:5).
— „Andriamanitra iray ihany no mbola mahay mamonjy antsika.” (M. Heidegger)
— „Andriamanitra marina sady Mpamonjy ; eny, tsy misy afa-tsy Izaho. Mijere Ahy, dia ho voavonjy ianareo” (Isaia 45:21-22) ; „Mibebaha ianareo, ka minoa ny filazantsara” (Marka 1:15).