Alatsinainy 24 Aogositra 2026
Nifaly indrindra izy mbamin’izay rehetra tao an-tranony, satria efa nino an’Andriamanitra. Asan’ny Apostoly 16:34
Indray andro aho dia nifanena tamin’i Jérôme, nitantara tamiko ny tantarany :
„Nanana ny orinasako manokana aho. Nandeha tsara ny zavatra rehetra, noho ny ezaka nataoko. Nefa indreo zava-nitranga tsy nampoizina, nanery ahy hiaiky ho tsy mahaloa trosa intsony, ary nivadika ho trosa be ny vokatry ny fisasarako rehetra…
Tao anatin’ny fahoriako dia ny zava-pisotro mahamamo no nataoko fialofana, ary latsaka ambany kokoa hatrany aho. Koa nangataka fisaraham-panambadiana ny vadiko. Namely ahy ny famoizam-po sy ny fikorontanan-tsaina. Tapa-kevitra hanao izay ratsy indrindra aho, ka nankeo an-davarangana. Avy eny amin’ny rihana fahavalo, dingana iray hirosoako ve dia hahavaha ny olako rehetra ? Tampoka teo dia nisy eritreritra niserana tao an-tsaiko : Andriamanitra ! Misy Andriamanitra ! Tsy nieritreritra an’Andriamanitra mihitsy aho teo amin’ny fiainako, tsy niantehitra na oviana na oviana taminy. Nanenika ahy ny fiheverana ny amin’Andriamanitra, ary tsy niala tamiko intsony.
Ankehitriny dia fantatro fa ny fahasoavan’Andriamanitra no nanakana ahy tsy hitsambikina. Nandeha nitady Azy aho, ary kristiana iray „sendra” nifanena tamiko, araka ny fiteny, no nanoro ahy ny lalana tokana hitondra ahy any amin’Andriamanitra. Jesosy Kristy, ny hazofijaliany, ny fitsanganany velona indray, ny fitiavany : izany no nampahafantatra ahy hoe iza moa aho : zavamananaina meloka eo anatrehan’Andriamanitra, nefa tiany sy navelany heloka. Eny, afaka miteny aminao aho fa Jesosy Kristy no Mpamonjiko sy Tompoko.
Roa taona tatỳ aoriana dia mbola tsy nahare vaovao momba ny vadiko ihany aho. Nanomboka nikaroka azy aho. Nisy fahagagana faharoa nitranga. Nino ny Tompo Jesosy Kristy koa izy. Samy nitolagaga izahay roa, noho ny fitiavana sy fahasoavan’Andriamanitra.”
Roa volana taorianan’ny nahitan’i Jérôme indray ny vadiny, dia io koa izy hitako indray, miramirana endrika : nisy peratra namirapiratra teny amin’ny tanany.