Alahady 23 Aogositra 2026
Ary niara-nidina taminy (tamin’ny ray aman-dreniny) nankany Nazareta Izy (Jesosy) ka nanoa azy. Lioka 2:51
Ary noho ny Tompo dia maneke izay rehetra voatendrin’ny olona (na ny mpanjaka na ny mpanapaka). 1 Petera 2:13
Ny Tenin’Andriamanitra dia mitatitra vanimpotoana tokana teo amin’ny fahazazan’i Jesosy. Ao amin’ny filazantsara nosoratan’i Lioka izany. Roambinifolo taona Jesosy, niaraka tamin’ny ray aman-dreniny nankany Jerosalema, mba hankalaza ny fetin’ny Paska. Nitodi-doha nody niaraka tamin’ny vahoaka niara-dia taminy izy ireo, fa Jesosy kosa nijanona tany Jerosalema. Rehefa hitan’ny ray aman-dreniny fa tsy niaraka tamin’izy ireo Jesosy, dia niverina haingana tany Jerosalema izy ireo, ary nitady Azy nandritra ny telo andro. Nony farany dia hitany tao an-tempoly Izy, sondriana tanteraka „tao an-tranon’ny Rainy”, nihaino sy nanontany ireo manampahaizana manokana ara-pivavahana. Nanome tsiny Azy ireto ray aman-dreniny. Tony Jesosy nanazava tamin’izy ireo ny anton’ny fihetsiny. Avy eo Izy dia niara-nody tamin’izy ireo, nanoa azy ireo, toy ny tokony hataona ankizy roambinifolo taona…
Ny fanoavana dia zava-dehibe fototra eo imason’Andriamanitra. Ankehitriny dia matetika izany no tsy takatry ny olona tsara sy tsy ekeny loatra. Heverina fa izay manoa dia ambany laharana noho izay ankatoaviny. Ny fanoavana anefa, araka ny ampianaran’Andriamanitra izany, dia tsy misy ifandraisany mihitsy amin’ny lanjantsika manokana. Resaka toerana samy hafa eo amin’ny andaniny sy ny ankilany izany, araka ny lamina napetrak’Andriamanitra, noho ny fahendreny.
Ny fihetsik’i Jesosy tamin’Izy roambinifolo taona dia manampy antsika hahatakatra Azy. Nanoa ny ray aman-dreniny Jesosy Zaza, Izy Ilay Zanak’Andriamanitra ! Ambony laharana noho Izy ve ny ray aman-dreniny ? Mazava ho azy fa tsia ! Fa Andriamanitra dia nametraka lamina ao amin’ny fianakaviana sy eo amin’ny fiarahamonina, mba hahasoa sy hampirindra ny olombelona ; ary nanaraka izany Jesosy, Izy Ilay Mpahary !