Asabotsy 22 Aogositra 2026

Tamin’ny nandaharako voalohany hanala tsiny ny tenako dia tsy nisy nomba ahy, fa nandao ahy avokoa izy rehetra… Kanefa ny Tompo nitsangana teo anilako ka nampahery ahy. 2 Timoty 4:16-17

Fa tsy mbola hitako izay marina nafoy. Salamo 37:25

 

Fanafana ho an’ny olona manirery

Tsy safidy mandrakariva ny ho manirery, fa indraindray an-tery, sarotra iainana amin’ny andavanandro. Voankevitra japoney ho fanafan’izany ny „rentaru furendo”, midika ara-bakiteny hoe „fanofana (na : manofa) olona akaiky”. Ireny birao na mpanera misahana fanofana ireny dia manolotra ho an’ny mpanjifany, mpilalao an-tsehatra heverina hahafeno ny banga eo amin’izy ireo, eny fa na habangana ara-pitiavana aza. Io mpilalao io dia tsy maintsy mamorona fitiavana ara-pianakaviana, na fifamatorana ara-piarahamonina.

Raha mpilalao an-tsehatra dia mety hanodoka, fa Andriamanitra kosa dia manolotra fifandraisana marina sy mahitsy. Ny nahatongavany nofo tao amin’i Jesosy no nampahafantarany antsika ny fitiavany. „Indro, ny virijina hitoe-jaza ka hiteraka zazalahy ; ary ny anarany hataon’ny olona hoe Imanoela, izany hoe, raha adika : Amintsika Andriamanitra” (Matio 1:23). Andriamanitra dia nahary antsika mba hanana fifandraisana aminy, nefa ny olona nitady hiaina tsy misy Azy ; ary izany no nitarika ny olona tsy hankatò Azy, ka noho izany, hanota aminy. Avy amin’izany io fanalavirana io. Tsy afaka manana an’Andriamanitra miaraka amintsika isika, raha mbola tsy nafahana tamin’ny vesatry ny fahamelohantsika. Ho amin’izany no nahatonga an’i Jesosy, Ilay Zanak’Andriamanitra, nitondra teo amin’ny hazofijaliana ireo fahotan’izay mino Azy. Dia voafafa teo anatrehan’Andriamanitra ireo. Manomboka hatreo Jesosy, anarana midika hoe Andriamanitra Mpamonjy, dia manambara amin’ireo rehetra mitoky aminy hoe : „Indro, Izaho momba anareo mandrakariva” (Matio 28:20). Tsy irery intsony ny mpino ! Asehon’ny andinin-tSoratra Masina androany antsika fa ny apostoly Paoly dia afaka nanaporofo ny maha zavamisy io fampanantenana io. Nogadraina noho ny finoany izy ary nilaozan’ny namany, kanefa ny Tompo nitsangana teo anilany.