Zoma 21 Aogositra 2026

Raha misy manota, dia manana Solovava ao amin’ny Ray isika, dia Jesosy Kristy, Ilay Marina. 1 Jaona 2:1

Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy (Andriamanitra) ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin’ny tsy fahamarinana rehetra. 1 Jaona 1:9

 

Solovava ao amin’ny Ray

Ireo izay mino ny Tompo Jesosy dia zanak’Andriamanitra, ary ambaran’ny Baiboly fa „manana Solovava ao amin’ny Ray” izy ireo. Ny mpisolovava dia izay antsoina mba hanoro hevitra, hanampy olona eo amin’ny fitsarana, izany hoe ho „mpiaro”. Tsy hoe hampitony an’Andriamanitra tsy akory, rehefa nanota ny mpino. Ho midika mantsy izany hoe Andriamanitra dia tezitra amin’ny zanany, ary Jesosy Kristy mpisolovava azy dia tsy maintsy miaro azy eo anatrehan’Andriamanitra mpiampanga. Tsia, ny fahatezeran’Andriamanitra dia nilatsaka indray mandeha tsy miverina teo amin’i Kristy, teo amin’ny hazofijaliana, rehefa nitondra izay rehetra fahotantsika tao amin’ny tenany Izy. Nanomboka tamin’izay, ny olona mino an’i Jesosy dia mahafantatra fa mankasitraka azy Andriamanitra.

Nefa raha nanota isika, dia tsy mahazo aina eo anatrehan’Ilay Raintsika, Izay masina. Koa mandray an-tanana antsika ny mpisolovava antsika, hanaisotra izany tsy fahazoana aina izany, mba hananantsika indray fiombonana mahafinaritra amin’ny Raintsika. Toy ny zaza tsy nankatò, tokony hiaiky ny fahadisoany amin’ny ray aman-dreniny mba hanana fifandraisana tsara indray amin’izy ireo, ny mpisolovava antsika dia mitaona antsika hiaiky ireo fahadisoantsika sy hanambara izany eo anatrehan’Andriamanitra. Mahazo antoka isika fa mamela heloka antsika Izy. Tsy misy fepetra ny fitiavan’Andriamanitra, izany hoe tsy miankina amin’ireo fihatahantsika.

Ilay mpisolovava antsika, „Jesosy Kristy, Ilay Marina”, dia mijoro ho antsika eo anatrehan’ny Ray, Izay afa-po tanteraka tamin’izay nataon’ny Zanany teo amin’ny hazofijaliana. Aza mihevitra isika fa Andriamanitra dia mety hanohitra antsika. Andriamanitra dia „momba antsika”, ary ho mandrakizay izany (Romana 8:31). Nekeny tanteraka isika. Jesosy no antoka ny amin’izany, na dia osa toy inona aza isika.