Alakamisy 20 Aogositra 2026
Samy alaim-panahy ny olona, raha tarihin’ny filany sy fitahiny izy. Ary ny filana, rehefa torontoronina, dia miteraka ota ; ary ny ota, rehefa tanteraka, dia miteraka fahafatesana. Jakoba 1:14-15
Indrisy ! olo-mahantra aho ! Iza no hanafaka ahy amin’ny tenan’ity fahafatesana ity ? Misaotra an’Andriamanitra aho, amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika. Romana 7:24-25
Ny „sarracénia” dia zavamaniry kanto, manana ravina miondrika miendrika paosy, izay tery eny ambany ary malalaka kokoa eny ambony. Io paosy io dia mitahiry ranoka ankafizin’ny bibikely. Nisy fanenitra iray voasinton’ny fofon’io tsiranoka io ka nipetraka teo amoron’ny vavan’ilay paosy, ary nanomboka nitsentsitra tetevan-tsiranoka hitany teo. Dia niditra lavidavitra kokoa hatrany izy, nipetraka teo amina volovolo miondrika. Nefa nony te hiala izy, dia nitraka ireo volovolo, nanagadra azy, ary nikofokofoka mafy tsy nisy vokany izy. Reraka izy ka nianjera tao anatin’ilay ranoka noheveriny hivelomana, ary maty tao. Avy eo dia „nandevona” azy ny anjima sy ny asidra.
Toy izany ny fiasan’ny ota ao anatintsika. Amin’ny voalohany izy dia maka fanahy ary manintona antsika, manolotra fahafinaretana mora azo. Manandrana izany isika, avy eo mila bebe kokoa hatrany, ary mampatoky tena hoe hitsahatra ara-potoana. Manaiky hotarihina isika, ka tsy mahatsapa akory fa nandika ny fetra. Nihidy tsy nihaino ny feon’Andriamanitra ny fieritreretana. Voafandrika isika, dia very tao ny tena aina, dia ny ainan’ny fanahy.
Inona moa no atao hoe ota ? Ny tsy fankatoavana ny sitrapon’Andriamanitra, araka izay ampianarin’ny Baiboly. Manalavitra antsika an’Andriamanitra ny tsy fankatoavana, ary manameloka antsika. Tokana ihany, dia Jesosy, no nahatanteraka tamin’ny fomba lavorary ny sitrapon’Andriamanitra, hatramin’ny fahafatesany teo amin’ny hazofijaliana. Izany no mamaritra Azy ho Mpamonjy lavorarintsika. Eny, raha mibanjina an’i Jesosy isika ary miaiky aminy ireo fahadisoantsika, Andriamanitra Izay mahatoky sy marina dia mamela ny fahotantsika (1 Jaona 1:9). Dia ho afaka hivoaka avy tao amin’ny tambolin’ny ota isika, ary hisaotra an’Andriamanitra noho ny fanafahany (Soratra Masina androany).