Alarobia 19 Aogositra 2026

Ny zavatra rehetra samy nataony (nataon’Andriamanitra) ho mendrika amin’ny fotoanany avy ; ary ny mandrakizay dia efa nataony tao am-pony, kanefa tsy hitan’ny olona ny asan’Andriamanitra, hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany. Mpitoriteny 3:11

Andriamanitra ô, Andriamanitro Ianao ; mitady Anao fatratra aho ; mangetaheta Anao ny fanahiko. Salamo 63:1

 

Isika ve mangetaheta an’Andriamanitra ?

Taoriana-na taona maro niasany dia nanambara ity mpitsabo aretin-tsaina hoe : „Resy lahatra aho fa ny olombelona rehetra dia manana hetaheta an’Andriamanitra hatrany am-bohoka ; na mpivavaka ny olona na tsia, dia manana io faniriana lalina tonga ho azy io, izay toa mandrafitra ny antom-pisiany”. Ny apostoly Paoly, tamin’izy nandalo tany Atena, dia nanao fanamarihana mitovitovy amin’izany : „Raha nandeha aho ka nandinika izay zavatra ivavahanareo, dia nahita alitara anankiray misy izao soratra izao : HO AN’IZAY ANDRIAMANITRA TSY FANTATRA. Koa izay ivavahanareo, nefa tsy fantatrareo, dia izany no toriko aminareo” (Asan’ny Apostoly 17:23).

Ny olona dia noarìna tahaka ny endrik’Andriamanitra. Nirindra ny fiainany niaraka tamin’Ilay Mpahary, Izay nametraka azy ho mpitantana ny voariny. Indrisy anefa fa tapaka io fifandraisana mahatretrika io, noho ny tsy fankatoavan’ny ray aman-drenintsika voalohany. Dia tafiditra teto amin’izao tontolo izao ny fijaliana sy ny fahafatesana. Nefa asehon’ny tenin’ny Mpitoriteny voatanisa etsy ambony fa tsy mety lefy ao anaty lalin’ny fon’ny olombelona ao dia misy fiandrandrana zavatra maharitra mandrakizay, misy hetaheta-na zavatra lavorary. Amin’ny alalan’ny haranitan-tsainy, ny olona dia miezaka hahatakatra ny fiasan’io toetra tsy takatry ny sainy io, nefa tsy nahatsapa Ilay Mpahary intsony.

Ny olombelona, izay mpanota, dia tsy afaka manatona an’Andriamanitra amin’ny heriny samirery. Tsy maintsy Andriamanitra no nanatona ny olona, tao amin’ny tenan’i Jesosy Kristy. Tamin’ny fahafatesany teo amin’ny hazofijaliana, Jesosy dia manome aina vaovao ho an’izay mino Azy. Ny fahafatesany dia mitondra ireo valiny ho an’ny hetaheta lalina ao anatintsika : fahasambarana, fiadanana, fanantenana. Ndao handray ny tanany mitsotra : „Aoka ho avy izay mangetaheta ; ary izay mety, aoka izy hisotro maimaimpoana amin’ny ranon’aina” (Apokalypsy 22:17).