Talata 18 Aogositra 2026

Fa fahasoavana no namonjena anareo amin’ny finoana ; ary … fanomezana avy amin’Andriamanitra [izany] ; tsy avy amin’ny asa… Fa asany isika, voaforona tao amin’i Kristy Jesosy mba hanao asa tsara, izay namboarin’Andriamanitra rahateo mba handehanantsika eo aminy. Efesiana 2:8-10

 

Ny rojom-panalahidy voaravaka amboradara

Maria-Raquel dia nanjary nino ny Filazantsara rehefa 69 taona. Tamin’ny famakiana ny Baiboly sy ny vavaka no nianarany nahafantatra manokana an’i Jesosy, hany ka niova tanteraka ny toetrany sy ny fomba fiainany. Indray andro dia tratran’aretina mafy izy, nefa niaraka taminy hatrany sy nanohana azy ny finoany.

Efa hatrizay i Maria-Raquel no nanana talenta miavaka tamin’ny fanaovana ba sy amboradara. Indray maraina dia nisy mpiara-monina taminy, tsy dia maha te ho tia loatra, nitsidika azy sy nilaza taminy fa hiala aminy ny hakingan’ny tanany, ary nihevitra mihitsy aza hoe „ho famaizan’Andriamanitra azy izany”. Nefa tsy toy izany no nandraisan’i Maria-Raquel ny manjo azy, satria resy lahatra izy fa miasa ao anatiny amin’ny fomba tsara indrindra ny Tompo. Nandritra ny aretiny, ary saiky hatramin’ny farany, dia nandravaka amboradara rojom-panalahidy maro izy, nasiany teny avy ao amin’ny Baiboly ; ary na aiza na aiza andalovany, arakaraka izay fizahana ara-pahasalamana sy fitsaboana atao azy, dia zarainy amin’ireo rehetra mifanena aminy ireny.

Efa maty i Maria-Raquel ankehitriny, noraisin’Andriamanitra ho any aminy. Tsy noho ny asa soa nataony tsy akory, na noho ny herimpony tao anatin’ny fitsapana ; fa noho ny sorona nataon’i Jesosy hamonjena azy, sorona nanome azy zo ho tonga zanak’Andriamanitra (Jaona 1:12) sy ho any aminy, any ankoatran’izao fiainana izao. Tam-pahatoniana izy no niandry ny fandehanany ho any an-danitra. Nijoro ho vavolombelona tamin’ireo olona rehetra nitsidika azy izy, momba ny fahasoavan’i Jesosy, Izay nanolotra ny ainy hamonjy azy. Vavolombelona tamin’ny fomba ahoana ? Tamin’ny nanaparitahany ireo soratra fohy avy ao amin’ny Baiboly, mirakitra ny fitiavan’Andriamanitra, teo amin’ireny rojom-panalahidy noravahany amboradara ireny.