Alatsinainy 17 Aogositra 2026

Fa izao no lazain’i Jehovah, Izay nahary ny lanitra (Izy no Andriamanitra) sady namorona ny tany sy nahavita azy (Izy no nandamina azy ; tsy ho tany tsy misy endrika tsy akory no namoronany azy, fa nataony honenana) : Izaho no Jehovah, ary tsy misy hafa. Isaia 45:18

 

Inona no hoheverina momba ireo mponina ivelan’ny tany (ny „extraterrestres”) ?

Ny fahitana zavamananaina monina any amina planeta hafa dia anisan’ny lohahevitra ankafizin’ny siansa tsy voaporofo (ny „science-fiction”), ary miteraka aingam-panahy hanao fikarohana sy fizahana maro ara-tsiansa.

Ny Tenin’Andriamanitra, dieny ao amin’ny fehezan-teniny voalohany, dia mampiseho amintsika izay nataon’Andriamanitra : „Tamin’ny voalohany Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany” (Genesisy 1:1). Amin’izany fanambarana izany, ny tany dia navahana mazava tamin’ny zavatra hafa rehetra eny amin’ny lanitra, miparitaka ao amin’izao tontolo rehetra izao. Eto amin’ny planeta misy antsika, izay antsoin’Andriamanitra hoe Tany, no miseho ny drafi-pitiavany ny zavaboariny tompon’andraikitra sy marani-tsaina. Ireo dia ny olombelona noarìna tahaka ny endrik’Andriamanitra, notiaviny fatratra, hany ka nomeny Mpamonjy, sy fiainana mandrakizay tamin’ny alalan’io Mpamonjy io. Teto amin’ity tany ity koa no tonga Jesosy Kristy, maty teo amin’ny hazofijaliana, ary hanjaka indray andro any, mba hahasambatra ny zanak’olombelona.

Marina fa ny Baiboly dia miresaka zavamananaina hafa, ara-panahy, antsoina hoe anjely. Zavaboary tsy hita maso ireo, ao amin’ny sehatry ny lanitra, miavaka amin’ny tontolo misy antsika (Lioka 2:13, 15 ; Efesiana 6:12). Nisy anjely nisafidy ny hitoetra ho mahatoky eo amin’Andriamanitra, nisy hafa kosa nanaraka an’i Satana. Nefa ny drafi-pahasoavan’Andriamanitra dia miantefa amin’ny lehilahy sy ny vehivavy, fa tsy amin’ny anjely.

Eny, avy amin’izao tany izao Andriamanitra no maka vahoaka hameno ny lanitra : olombelona nalaina tamin’ny taranak’i Adama, voamariky ny tsy fankatoavana ny Mpahary. Avelany heloka izy ireo, raha vao mandray an’i Jesosy ho Mpamonjiny. Tamin’ny mponina teto amin’ny planetantsika Izy no naneho ny tenany, tao amin’ny heriny mandrakizay, ny maha Andriamanitra Azy, ary ny fitiavany.