Alahady 16 Aogositra 2026

Fony tsy mbola ary ny tendrombohitra, na voaforonao ny tany sy izao rehetra izao, dia Andriamanitra Ianao hatramin’ny taloha indrindra ka mandrakizay. Salamo 90:2

Fa Izy no niavian’izao zavatra rehetra izao, ary Izy no mihazona azy, sady Izy koa no antony ; Izy anie no homem-boninahitra mandrakizay. Romana 11:36

 

Tamin’ny voalohany Andriamanitra

Ny „big bang” (midika hoe : fipoahana lehibe) dia môdely iray momba ny haitontolo, ampiasain’ny mpahay siansa sasantsasany mba hanoritsoritana ny fiandohana sy fivoaran’izao tontolo rehetra izao. Ny tontolo rehetra hita maso ankehitriny, hono, dia vokatry ny fipariahana vangongon’angovo tokana tany am-piandohana, ary nanome ny zaka, na raha (la matière). Iray amin’ireo petrakevitry ny olombelona izany.

Ahoana hoy ny Baiboly ? Milaza ankoatra lavitry ny hita maso izy, tafakatra hatrany amin’Andriamanitra.

„Tamin’ny voalohany Andriamanitra nahary” (Genesisy 1:1). Ny fahariana izao tontolo rehetra izao no sehatra voalohany iraiketan’ny finoana. Eny tokoa, „ny finoana dia avy amin’ny toriteny, ary ny toriteny kosa avy amin’ny tenin’i Kristy” (Romana 10:17). Ary io Teny io, ny Baiboly, dia milaza amintsika ny momba an’Andriamanitra : „Fa Izy no niteny, dia ary izany ; Izy no nandidy, dia nitoetra mafy izany” (Salamo 33:9). Ny finoana no ahafahantsika mahatakatra fa „ny tenin’Andriamanitra no nanaovana izao tontolo izao, ka dia tsy izay zavatra miseho no nanaovana izao zavatra hita izao” (Hebreo 11:3). Tao aminy (tao amin’i Kristy, Ilay Tenin’Andriamanitra), tamin’ny alalany no nahariana ny zavatra rehetra (Kolosiana 1:16).

Afaka miteny foana ny be fandahatra hoe : „Iza no nahary an’Andriamanitra ?” Hoy Andriamanitra tamin’i Mosesy : „IZAHO, IZAY IZY… Izany no anarako mandrakizay” (Eksodosy 3:14-15). Izy no Ilay efa nisy hatrizay hatrizay ka ho mandrakizay. Izy anefa dia te haneho ny tenany amintsika, ary te hampahafantatra antsika fa Izy koa dia Andriamanitra fitiavana. Isika anie mba haniry hianatra hahalala Ilay manana halehibe tsy takatry ny saintsika mihitsy mihitsy, nefa te hitondra antsika ho amina fifandraisana akaiky aminy, dieny ankehitriny ary ho mandrakizay.