Asabotsy 15 Aogositra 2026

Aza manangan-tsaho foana. Eksodosy 23:1

Ny tenin’ny mpifosafosa dia toy ny hanim-py. Ohabolana 18:8

 

Ny lalànan’i Brandolini

Ny lalànan’i Brandolini dia manambara fa sarotra ny mandà vaovao tsy marina. Raha lazaina amina teny hafa, dia hoe mora ny mamorona vaovao feno fitaka ao anatin’ny minitra vitsy, nefa fotoana lavabe lavitra no hilaina hanaporofoana fa diso io vaovao io.

Efa nisy hatrizay hatrizay ny vaovao tsy marina, nefa niara-nitombo tamin’ireo tambajotran-tserasera ny fieliny. Vaovao mbola tsy nivoaka akory mantsy, mampahafantatra zavatra lazaina ho miafina, tsy ho ela dia hisy akony. Ambaran’ny Baiboly antsika fa ny teny iray taterina, na marina na diso, dia tahaka hanim-py. Tiana ho azy fotsiny izao !

Mazava anefa ny ambaran’Andriamanitra : „Aza manangan-tsaho foana”. Ndao hanana izany toe-tsaina izany, rehefa mahazo vaovao manaratsy ny namantsika. Indro aho mahazo hafatra toy izao amin’ny findaiko, ahoana no tokony hataoko ? Tokony hofotopotoriko ny fahamarinan’io vaovao io, araka ny ampirisihan’ity andinin-tSoratra Masina ity ahy hoe : „Diniho sy fotory ary adino tsara, ka raha, indro fa nisy marina tokoa izany zavatra izany…” (Deoteronomia 13:15). Raha manao hafa noho izany, dia manota eo anatrehan’Andriamanitra.

Ry kristiana, aoka ny tenintsika ho voamariky ny fahamarinana, ary ndao ho mailo tsy hanely tsaho na fanakianana ! Aza manaparitaka vaovao tsy marina !

Tsara lavitra noho izany aza, ndao hihaino ny teny feno fahendrena nolazain’ny apostoly Paoly hoe : „Ry rahalahy, na inona na inona marina, na inona na inona manan-kaja, na inona na inona mahitsy, na inona na inona madio, na inona na inona maha te ho tia, na inona na inona tsara laza… dia hevero izany” (Filipiana 4:8).