Zoma 14 Aogositra 2026
Aoka ho ao am-ponao izao teny andidiako anao anio izao. Dia ampianaro tsara ny zanakao izany, ary resaho, na mipetraka ao an-tranonao ianao, na mandeha any an-dàlana. Deoteronomia 6:6-7
Ireo manam-pahaizana manokana momba ny fampianarana dia namolavola fomba hampivelarana ny sain’ny ankizy ao anatin’ny fanajana ny maha izy azy manokana. Ny mpanabe tena izy dia mikendry tsara ho takatry ny tsirairay, ary koa mampihatra fahefana ahatsapana hafanam-po sady ara-drariny.
Ny ray aman-dreny, mpanabe voalohany ireo zanany, dia manana anjara asa fototra, sarotra, izay mitaky fitiavana, fahendrena, toetra hentitra, fananana fotoana, fahafoizantena… Raha manao tsirambina io asa fanirahana io ny ray aman-dreny, ao an-tokantrano, ary mivahavaha ny fahefany, dia tandindomin-doza ny zanaka.
Ho ana ray aman-dreny kristiana dia hifanohitra amin’ny fampianaran’ny Tenin’Andriamanitra ny miala amin’ny andraikitra napetrak’Andriamanitra tamin’izy ireo, hanabe ny zanany. Araka izany dia izao no voasoratra : „Ianareo ray, aza mampahatezitra ny zanakareo, fa tezao amin’ny famaizana sy ny fananaran’ny Tompo izy” (Efesiana 6:4). Raha tia ny zanany ny ray aman-dreny, tsy haniry ve ? hametraka azy ireo, dieny mbola kely, eo ambany fitarihan’ny Tenin’Ilay Andriamanitra, Izay fitiavana sy fahazavana. Ny maha Andriamanitra an’Andriamanitra dia niseho tamin’ny fomba lavorary teo amin’ny fiainan’i Jesosy, ary mitoetra tsara ho takatr’ireo tanora indrindra. Rehefa miara-mamaky ny Filazantsara amin’izy ireo, dia manatanteraka ny fangatahan’ny Tompo hoe : „Avelao ny zaza hanatona Ahy, ary aza rarana ; fa an’ny toa azy ny fanjakan’Andriamanitra” (Lioka 18:16).
Tsy afaka hanova fo ny zanatsika ho an’i Kristy isika ; ny finoan’izy ireo dia tsy maintsy finoana manokana an’i Jesosy, finoana noraisin’ny tsirairay isambatanolona. Nefa ndao hanomana azy ireo ho amina fihaonana toy izany. Ndao hampianatra azy ireo ny tenin’ny Soratra Masina, sady hiara-miaina izany amin’izy ireo (2 Timoty 3:14-15).