Alakamisy 13 Aogositra 2026

Aoka tsy ho tia amin’ny teny na amin’ny lela isika, fa amin’ny asa sy amin’ny marina. 1 Jaona 3:18

 

Mihevitra ny hafa

Rehefa fotoam-pialan-tsasatra lohataona, dia kristiana tanora maro no manana fahazarana mihaona any an-tendrombohitra, mba hamaky sy handinika ny Baiboly, ary hiara-mivavaka. Finaritra mandrakariva izy ireo miara-mandany ny tontolo androny mba hiady hevitra, hifampizara, hifampahery, am-pifaliana sy amina toe-tsaina amam-panahy falifaly. Indray tolakandro anefa, nanao vôley ny ankamaroan’izy ireo, no hitako fa nisy tanora sasantsasany nihatakataka na irery, ary toa sorisorena. Tsy tafiditra tao anatin’ny lalao izy ireo ! satria vaovao angamba, na tsy mpanao fanatanjahantena loatra fotsiny !

Na inona na inona antony, dia mampandini-tena antsika izany toejava-mitranga izany. Isika ve zatra loatra miaraka amin’ireo namana mpifanerasera amintsika, ka manadino ireo olona manirery, malahelo, ary angamba mijaly noho izany ? Haintsika ve ny manatona ireo toa lavitry ny zava-mahaliana antsika, na tsy dia mifandray amintsika ? Aza hadinointsika na oviana na oviana fa tsy ny fanatanjahantena, na ny kolontsaina, na ireo fomba amam-panao no mandrisika ny kristiana, fa Olona iray, dia Jesosy Kristy. Koa mba te hifampirisika isika haka tahaka an’i Jesosy sy hanatona ny hafa, „mba hifampiahy ny momba ny tena rehetra” (1 Korintiana 12:25). Mety hitaky fihafiana kely angamba izany, tsy hanao vôley indray mandeha, handany takariva iray tsy toy ny fanao, nefa ny zavatra iainana dia mampiseho fa hahazoana hatrany fitahiana tena lehibe izany. Angamba Andriamanitra mandefa olona mitady namana na mila miresaka, ho eo amin’ny lalantsika. Ndao ho vonona hampiasain’Andriamanitra !