Alarobia 12 Aogositra 2026

Namolavola ahy tao an-kibon-dreniko Ianao… natao tao amin’ny miafina aho, ka noforoninao hisy endrika. Salamo 139:13, 15

Aza miherikerika foana, fa Izaho no Andriamanitrao ; mampahery anao Aho sady mamonjy anao. Isaia 41:10

 

Mpihevitra ny zavatra rehetra ho tsara ve ianao ? sa mpihevitra izany ho ratsy ?

Mpirahalahy i Ben sy Sam, ary samy kristiana izy roa lahy. Ben dia mpihevitra ny zava-drehetra ho tsara, mamakivaky tsy misy fanahiana ny toejava-mitranga eo amin’ny fiainana, ary miorina amin’ny foto-kevitra hoe tokony hizotra tsara avokoa ny zava-drehetra. Sam kosa, mifanohitra amin’izany, dia manahy amin’ny zava-drehetra, ary amin’ny ankapobeny dia mamisavisa ny faran’izay ratsy. Raha mijery maimaika isika dia mety hanombantombana hoe vontom-pinoana i Ben, fa i Sam kosa tsy manana finoana… Nefa tsy misy tsy akory olona tompon’andraikitra amin’ny toetrany ara-pahariana. Andriamanitra no nahary antsika ho samy manana ny maha isika antsika avy. Te hampianatra antsika hiaina mba ho Azy Izy, ao anatin’ny toetra ara-pahariana hitany fa tsara nomena antsika.

Amin’ny maha kristiana azy, na mpihevitra ny zava-drehetra ho ratsy aza i Sam, dia tsy voatery ho tototry ny zava-manahirana mandritra ny fiainany manontolo. Tokony hianatra handresy ny tebitebiny ara-pahariana izy, miaraka amin’Ilay Andriamaniny. Hohararaotiny ny toejava-mitranga rehetra hamborahana ny fanahiany amin’Andriamanitra, Izay tsy mandatsa (Jakoba 1:5). Hianatra hatoky ny tenany izy, ary hiaina ireo fihetsika avaliny ny toejavatra rehetra. Ben kosa, satria mpihevitra kokoa ny zava-drehetra ho tsara, dia mety tsy hahatsapa loatra ny ilàna mivavaka, manoloana ny toejavatra rehetra. Nefa tokony hialany ny fiheveran-tena ho tsy mety resy, ary hotsarovany ny hiantehitra amin’Andriamanitra eo amin’ny dingana tsirairay eo amin’ny fiainany.

Ry kristiana, raha mahatonga anao hijaly ny toetra izatsy na izaroa, dia aza kivy na mitsiriritra ny hafa. Andriamanitra no nahary anao araka izao maha ianao anao izao : tokana aman-tany ianao, eo imasony. Ho hitanao ao aminy sy ao amin’ny Teniny ireo loharanon-kery sahaza anao. Ary na inona na inona toetranao, dia tsarovy fa miasa eo amin’ny fiainanao Andriamanitra, mba hanahafanao bebe kokoa hatrany an’i Jesosy, Ilay ohatra alainao tahaka !