Talata 11 Aogositra 2026
Mitadiava an’i Jehovah, dieny mbola hita Izy, miantsoa Azy, dieny mbola akaiky Izy. Isaia 55:6
Indro, ankehitriny no andro fankasitrahana ; indro, ankehitriny no andro famonjena. 2 Korintiana 6:2
Tany amorontsiraky ny ranomasina Manche (avaratr’i Frantsa) dia nisy tovolahy mpanao fanatanjahantena nidina harambato mitsatoka tamina tady, mba hanatratra vato mandondona iray. Tamin’ny fotoana nipetrahan’ny tongony teo amboniny, anefa, dia votsotra ilay tady. Tao anaty segondra iray dia takany ny toerana mampihoron-koditra nisy azy, lavitra vonjy avy amin’olona ; ary tandindomin-doza izy hianjera any an-tevana amin’ny fotoana rehetra. Hitany ilay tady, nisavilivily manakaiky sy manalavitra azy. Nangorohoro izy satria nihafohy kokoa hatrany ny fisavilivilin’ilay tady. Nisy eritreritra toy ny tselatra tonga tao an-tsainy. „Io tady io no hany fitaovana hahavonjy ahy, ary vetivety foana izy io dia ho lavitra loatra ahy ka tsy ho takatry ny tanako intsony. Izao dia izao no hany fotoana hahafahako manatratra azy !” Dia nitsambinkina izy, nisambotra ilay tady.
Mampihoron-koditra ny mieritreritra ny toerana mampitaintaina nisy io tovolahy io. Nefa ve ianao mba efa nieritreritra ny toerana misy anao ? Eo an-tongotrao ny lavaka tsy hita noanoan’ny mandrakizay, tsy sahinao jerena akory… Mandeha ny fotoana… Manan-danja ny minitra tsirairay. Tsy afaka hanantena vonjy avy amin’olombelona ianao, mba hialana amina fahafatesana mandrakizay lavitra an’Andriamanitra. Nefa eo akaikinao eo ny famonjena. Eo ny tady hany afaka hamonjy anao. Angamba izy io tsy ho eo akaikinao na oviana na oviana ohatra ny amin’izao fotoana amakianao ity takelaka ity izao. Sambory izao ankehitriny izao izy io : raiso Jesosy Kristy ho Mpamonjinao : „Tsy misy famonjena amin’ny hafa” (Asan’ny Apostoly 4:12).