Alatsinainy 10 Aogositra 2026
Tsarovy ny mpitondra anareo, izay efa nitory ny tenin’Andriamanitra taminareo. Hebreo 13:7
Ny rahalahy … dia tonga … nitsena anay … ; raha nahita azy Paoly, dia nisaotra an’Andriamanitra … ka nahazo toky. Asan’ny Apostoly 28:15
Nanokatra ny Baiboliny i Charles, mpiasam-panjakana ambony any Afrika. Manana fotoana handinihana izany izy, rehefa nanala azy tamin’ireo andraikiny ny fanovana ny fitondram-panjakana. Niato izy teo amin’ny andinin-tSoratra Masina hoe : „Tsarovy ny mpitondra anareo”. Nitondra azy lavitra tany amin’ny lasa, fony izy mbola mpianatra, ny eritreriny. Tsaroany ireo fifampizarana mahafinaritra tamina misionera iray nampianatra azy tao amin’ny finoana kristiana. Inona izao ny niafaran’izy io ? Nalainy an-tsoratra ny anarany, ary dieny ampitso izy dia hitady azy.
Ilay misionera dia mbola am-perinasa hatrany. Evanjelista izy, mipetraka any Eoropa ankehitriny, manao asa misiona any amina firenena samihafa. Nandritra ny iray tamin’ireny diany ireny, rehefa nanomboka nidina ny fiaramanidina nitondra azy, dia nahatsiaro tena ho somary kivy izy : toejavatra maro manahirana no miandry azy, any amin’ireo fiangonana hotsidihiny !
Nefa fotoana fohy taorianan’izany dia naharay hafatra tao amin’ny findainy izy, nanasa azy hifandray amin’olom-pantatra iray fahiny. Nofaritina ny fotoana hihaonana, dia indro izy nifanatrika tamin’i Charles, izay nitady azy fatratra ka nahita azy (2 Timoty 1:17), ary nanasa azy ho any an-tranony ny harivan’io ihany. Dia faly ireto mpirahalahy ao amin’i Kristy nifampizara momba ny toetra mahatokin’ny Tompo : niahy azy ireo Izy nandritra izay 30 taona izay, ka nampifankahita azy ireo indray, tamin’ny fotoana nilan’izy ireo izany indrindra. Nampahery azy roa lahy tamin’ny asa fanompoany ny Tompo io fihaonana am-pirahalahiana io.
Ry kristiana, ilaintsika ny fihaonana amin’ny namana, mba hanentana antsika ho tia sy hanompo Ilay Mpamonjy iombonantsika, dia Jesosy Kristy, ary mba hampifampahery antsika „amin’ny finoantsika, dia ny anareo sy ny ahy” (Romana 1:12).