Alahady 9 Aogositra 2026

(Hoy Jesosy tamin’ny mpianany :) Omeonareo hanina izy. Ary hoy ireo : Tsy manana mihoatra noho ny mofo dimy sy hazandrano roa izahay. Lioka 9:13

 

Loharanon-kery avy amin’Andriamanitra

Tsara vakina : Matio 14:13-21

Ao afovoan’ny vahoaka maika aho, taitra mahita ireo tava mikatona. Fijery malahelo na feno fanahiana, tsy misy tsiky na iray aza…

Hoy ny Tompo Jesosy tamin’ny mpianany, nanoloana vahoaka be maty mosary : „Omenareo hanina izy”. Niriny ny hanehoan’ny mpianany fitiavana toy ny Azy, amin’ny fahafoizan-tenan’izy ireo, amina fanampiana ara-materialy (hay tsapain-tanana, hita maso) sy ara-panahy ; niriny koa ny hiresahan’izy ireo momba ny fahasoavany sy ny fitiavany. Rehefa nandray an’i Jesosy ho Mpamonjiko aho, dia mahafantatra an’Andriamanitra ho Ray tia ahy, mahatonga ahy ho sambatra, manome izay rehetra ilaiko : iriko ny hizara izay rehetra hitako ao aminy, nefa ahoana no hanaovana izany amin’ny fomba tandrify ? Mety hahatsiaro tena ho tsy manana na inona na inona isika, na tsy manana fahaiza-manao.

Ao amin’io tantara io, ny mpianatra dia tsy nanana afa-tsy mofo dimy sy hazandrano roa, mba hamahanana ity vahoaka be. Ny isa „dimy”, ao amin’ny Baiboly, dia kisarisarin’ny fahalemen’ny olombelona. Hoy ny Tompo tamin’izy ireo : „Ento etỳ amiko izany”. Ndao hitondra eo aminy koa, am-bavaka sy am-patokiana, izay kely ananantsika : hampiany isika, amina teny dimy na teny tokana, mba hikasika ny fo sy ny fieritreretana, mba hamaly izay ilaina fanahy iray. Voafetra ny fahaiza-manaontsika, nefa Andriamanitra mampiasa zavatra madinika mba hanatanterahany zavatra lehibe. „Ndao hanao vatsy” avy amin’ny Tenin’Andriamanitra, mamaky tsara izany, mba haha-fahan’ny Tompo mampiasa, amin’ny fotoana voatendriny, izay nomeny antsika. Dia ho faly isika mahatsapa fa handray avy aminy zavatra be dia be afaka hahasoa ny hafa. Ary hiainantsika fa hoe ny loharanon-kery avy amin’Andriamanitra dia mihoatra mandrakariva noho izay ilaina.