Asabotsy 8 Aogositra 2026

Mba hofenoina fahalalana tsara ny sitrapony ianareo, amin’ny fahendrena sy ny fahazavan-tsaina rehetra avy amin’ny Fanahy, mba handehananareo mendrika ny Tompo, hanaovana ny sitrapony amin’ny zavatra rehetra. Kolosiana 1:9-10

 

Fihevitra hosaintsainina sy hiainana

— Izay ho ampitsonao dia miankina amin’ireo safidy ataonao androany.

— Manana ny tena fiadanana isika, tsy hoe rehefa tsy misy ady tsy akory, fa rehefa vita fihavanana amin’Andriamanitra.

— Ny maha isika antsika, izaho sy ianao, dia ny fahasoavan’Andriamanitra.

— Raha miara-miaina amin’ny Tompo isika, dia tsy hitovy amin’izao tontolo izao.

— Ny toerana tsara indrindra hijoroana ho vavolombelon’i Kristy dia izay toerana nametrahan’Andriamanitra antsika.

— Ny fo iray mitepo ho an’ny Tompo dia ho mora tohina amin’ireo izay tian’ny Tompo.

— Rehefa manondro lalana iray ho antsika ny rantsantanan’Andriamanitra, dia manana antoka isika fa hampiany hizotra amin’izany.

— Raha vao miaiky ny fahalementsika isika, dia mamela ny herin’Andriamanitra hanana toerana eo amin’ny fiainantsika.

— Aza mametraka baraingo eo amin’izay nasian’Andriamanitra teboka famaranana.

— Izay miara-miroso amin’Andriamanitra dia hahita ny lalany, na dia ao anatin’ny haizina aza.

— Ny tena finoana dia afaka mahafoy zavatra maro —afa-tsy ny Tompo sy ny Teniny.

— Ireo fitsapana no tany lonaka hitomboan’ny finoana.