Zoma 7 Aogositra 2026
Naharitra nivavaka tamin’Andriamanitra nandritra ny alina Izy (Jesosy). Ary nony maraina ny andro, dia nantsoiny hanatona Azy ny mpianany, ka nifidianany roa ambin’ny folo lahy, izay nataony hoe Apostoly. Lioka 6:12-13
Rehefa avy nivavaka nandritra ny alina Jesosy dia nifidy ny apostoliny roambinifolo. Lehilahy samihafa fiaviana, asa aman-draharaha ary toetra izy ireo. Ny sasany, toa an’i Petera sy Jaona, ohatra, dia mpanarato teo amin’ny farihin’i Tiberiasy, „tsy mba mpahay lalàna na nampianarina” (Asan’ny Apostoly 4:13), ny hafa kosa nanam-pahalalana kokoa.
Anisan’ireo apostoly ireo i Simona „Zelota” sy i Matio, antsoina ihany koa hoe Levy. Rehefa niantso azy ireo Jesosy, i Matio dia teo am-panangonana ny hetra ho an’ny mpanjana-tany romana. Simona kosa dia nomena anaram-bosotra hoe Zelota : ny Zelota anefa dia ireo izay nirotsaka hanao fihetsika mahery setra tamin’ireo Romana ireo ihany. Araka izany dia nifanohitra tanteraka ny tombontsoan’izy roa lahy. Na izany aza anefa dia samy mpianatra nofidin’i Jesosy izy ireo. Ary hanaraka Ilay Mpampianatra iraisany.
Ny mampiray azy izany dia tsy ny asany, na ny foto-keviny ara-pôlitika, na ny fisakaizany. Teo amin’ireo lafin-javatra ireo, dia nifanipaka tanteraka izy ireo. Ny teboka iombonany kosa dia olona iray, Jesosy Kristy, Ilay Mpamonjiny. Rehefa nantsoiny izy ireo dia nanaraka Azy. Ny fiainan’izy ireo, araka izany, dia nanjary nifamatotra akaiky tamin’ny fiainan’i Jesosy, nandritra ny telo taona mahery. Tokana ny tanjon’i Simona Zelota sy i Matio : hihaino sy hanaraka ny Tompony, mba ho apostoliny.
Zanak’Andriamanitra isika, samihafa fiaviana ara-piarahamonina sy ara-kolotsaina. Nefa inona moa no maha zava-dehibe izany ? Manana Ilay Mpamonjy sy Tompo iray ihany hotiavina sy hotompoina isika, manana hoavy iray iombonana, dia ny hiaraka aminy mandrakizay !