Alakamisy 6 Aogositra 2026
(Hoy Jesosy :) Indro, Izaho maniraka anareo ho tahaka ny ondry ao ampovoan’ny amboadia ; koa hendre tahaka ny menarana, ary morà tahaka ny voromailala. Matio 10:16
Satria nisalasala tsy niditra ao an-trano ny olona mba hanatrika ny fivoriana, dia hoy ilay mpitsara tamin’ity olona niaraka taminy :
— Angamba nampahafantarina ny asa nanirahana ahy i Baxter, ka tsy hipoitra. Tokony handeha lavidavitra kokoa angamba aloha isika, mba hahatsapan’ireo olona ireo filaminana.
Rehefa niverina anefa izy ireo, dia mbola nijanona teo anoloan’ny trano ihany ny olona. Nihevitra ilay mpitsara fa tsy hahasambotra ilay olona tadiaviny, amin’io andro io. Hoy izy tamin’i Baxter :
— Miangavy anao aho mba hanao lahateny ho an’ireo olona ireo, hangataka azy ireo hanaraka ny baikon’ny manampahefana. Namaly i Baxter hoe :
— Nivory hanao fotoam-pivavahana no nahatongavan’izy ireo, ka tsy ho afa-po mihitsy amina lahateny tahaka izany. Fa ianao kosa, Andriamatoa Mpitsara, raha te hanomboka amin’ny vavaka, dia ho hitako izay azo lazaina manaraka izany.
— Oadray, hoy ilay mpitsara namaly, tsy atỳ amiko ny bokim-bavako. Nefa resy lahatra aho fa vitanao ny miara-mivavaka sy miteny amin’izy ireo. Afaka manomboka ianao.
Fotoana tena fanararaotra moa izany ! ho an’i Baxter. Niditra tao an-trano izy roa lahy, ary nanaraka azy ireo ny vahoaka. Nafana fo aoka izany i Baxter nivavaka, ka nanganohano ny ranomason’ilay mpitsara teo anilany. Avy eo izy dia nitory ny Filazantsara tam-paharesen-dahatra. Nony farany i Baxter dia nampahafantatra ny tenany tamin’ilay mpitsara. Tohina mafy noho ny vavaka sy ny toriteny ilay mpitsara, ka tapa-kevitra tsy hisambotra an’i Baxter. Tatỳ aoriana io mpitsara io dia nanjary kristiana velona sy naman’ireo kristiana nenjehina.
(tapitra)