Alarobia 5 Aogositra 2026

Hoy Jesosy tamin’i Simona : Aza matahotra ; hatramin’izao ankehitriny izao dia olona kosa no ho azonao. Lioka 5:10

Andraso ary ny ondriko. Jaona 21:16

 

Fihazana olona (1)

Nandritra ny fotoana naharitra, tany Angletera, dia norarana izay rehetra fivoriana ara-pivavahana ankoatra ny fiangonam-panjakana. Mpitoriteny maro tamin’izany vanimpotoana izany no nitory ny Tenin’Andriamanitra tao amin’ny mangingina, tany an-tokantranon’olona manokana na tany ivelany, tany an’ala. Anisan’ireny i Richard Baxter (1615-1691), izay zatra nitoriteny vao maraina be, ary namantatra ny toerana hanaovany izany ny hariva mialoha.

Indray mandeha izy dia very tany anaty haizina. Rehefa nirenireny ela izy dia tonga tao amina rova kely iray, te hanontany lalana tao. Nilaza izany tamin’ny tompony ny mpanompo iray. Nanopy maso an’i Baxter ilay tompon-trano, ary nanasa azy hatory ao aminy io alina io.

Nandritra ny resaka nifanaovana, tsy ela dia talanjona ilay tompon-trano, tamin’ny fahalalana be sy endrika ivelan’ity olona nampiantranoiny. Te hahafantatra bebe kokoa momba azy sy ny asa ataony izy. Sady nitsiky i Baxter no namaly hoe :

— Mpihaza olona aho.

— Mpihaza olona ? hoy ilay tompon-trano nanontany. Tonga amin’ny fotoana tandrify ianao. Ianao no olona ilaiko. Izaho dia mpitsara mampandry fahalemana eto amin’ity faritany ity, ary vao nirahina hisambotra izany lehilahy antsoina hoe Richard Baxter izany, izay hanao famoriana olona tsy ara-dalàna eto amin’ity faritra ity rahampitso maraina. Koa ndao hiaraka amiko rahampitso ; vetivety izy dia ho voasambotsika.

Nanaiky i Baxter, ary dia lasa vao maraina izy ireo, nankany amin’ilay toerana voatondro. Olona marobe no efa niandry teo anoloan’ilay trano hanaovana ny fivoriana. Saingy rehefa nahita ilay mpitsara ny olona, dia natahotra ka tsy sahy niditra tao an-trano.

(hitohy)