Talata 4 Aogositra 2026

Indro ny Mpanapaka ny olona ; marina Izy… Izany dia toy ny fahazavan’ny maraina, raha miposaka ny masoandro, dia ilay maraina tsy misy rahona iny. 2 Samoela 23:3-4

Ravoravo ny efitra sy ny tany karankaina… hahita ny voninahitr’i Jehovah izy, sy ny famirapiratan’Andriamanitsika. Isaia 35:1-2

 

Vinavina mampivadi-po ve ?

Izao no hita indraindray ao amin’ny matoan-dahatsoratry ny gazety : „Lohataona mahatratra 50°C. Andro mafana be miisa avo folo heny noho ny ankehitriny. Alina mafana izaitsizy. Haintany hihabetsaka. Ranonoran-dririnina hitombo be… ary zara raha hisy rehefa fahavaratra. Mampivadi-po ny vinavina ho amin’ny taona 2100.” Araka izany dia misy isam-potoana ny fanairana momba ny toetran’ny planetantsika.

Ambaran’ny Baiboly antsika, ao amin’ny bokin’ny Apokalypsy, fa indray andro any ity tontolo ity dia hiharana zava-doza ratsy lavitra noho ireo fikorontanana toetrandro hay fantarina na tombanana mialoha.

Miharihary kokoa hatrany ny fandavan’ny olona Ilay Mpahary azy, ary ataony tsinontsinona ny hafatry ny Kristy. Andriamanitra dia fitiavana, ary „tia ny olona rehetra hovonjena” (1 Timoty 2:4). Nefa rehefa nampiakariny tsy ho eto an-tany intsony ny Fiangonany (voarafitry ny mpino rehetra voavonjy noho ny fahasoavana) mba ho any aminy any an-danitra, dia ho avy ny fotoana hitsarany ny ratsy rehetra eo anivon’ny olona tafajanona eto an-tany. Aorianan’io vanimpotoana maloka io, Andriamanitra dia hametraka fanjakana maneran-tany itoeran’ny fahamarinana sy ny fiadanana. Jesosy, Ilay Mpanjakan’ny mpanjaka sy Tompon’ny tompo nolavina tamin’ny fiaviany voalohany teto an-tany, tokony ho 2000 taona lasa izay, dia hiverina mba hanjaka eto. Izany dia ho fotoana mahatretrika ho an’ity tany ity (jereo ny andinin-tSoratra Masina androany). Hiara-manjaka amin’ny Kristy ny Fiangonana. Ho vavolombelon’izany voninahitra izany izy, ary handray anjara amin’izany.