Alatsinainy 3 Aogositra 2026

Fa izao no lazain’i Jehovah Tompo : … Toy ny fandinidiniky ny mpiandry ny ondriny … no handinidinihako ny ondriko. Ezekiela 34:11-12

Apetraho aminy (amin’Andriamanitra) ny fanahianareo rehetra ; fa Izy no miahy anareo. 1 Petera 5:7

 

Karakarao ny tenanareo

„Noho ny fihibohana, dia mikatona ny tranombarotray ; karakarao ny tenanareo.”

Nandritra ny fihibohana mafy tamin’ny taona 2020, dia imbetsaka isika no mety namaky na nahare io torohevitra io, hoe : „Karakarao ny tenanareo” ; na isika mihitsy no nanome izany ho ana marary, nirary ny olona hafa mba tsy ho tratran’ny valanaretina. Nanjary mora tohina kokoa momba ny fahasalaman’ny namantsika isika, nandritra iny vanimpotoana iny, nahatsiarovantsika tena ho tsy manan-kery manoloana aretina mety hamono. Nefa ve isika nanana ireo fitaovana mba tena hikarakarantsika ny tenantsika na ny namantsika ?

Ao amin’ny Baiboly, Andriamanitra mihitsy no miteny imbetsaka amintsika hoe : „Te hiahy anareo Aho”.

Fahiny Andriamanitra dia nikarakara fatratra ny vahoaka Israely : „Niahy azy [Izy] ary notandremany tahaka ny anakandriamasony [ireo]” (Deoteronomia 32:10). Joba dia afaka niteny hoe : „Aina sy famindrampo no nomenao ahy ; ary ny fiahianao no niaro ny aiko” (Joba 10:12).

Taomin’ny apostoly Petera isika hanetry tena eo anatrehan’Andriamanitra sy hatoky Azy (Soratra Masina androany). Misy hatrany ireo alahelo sy ahiahy, nefa afaka „mametraka” ireny eo amin’Ilay Andriamanitsika isika, mamboraka ireny aminy, amin’ny alalan’ny vavaka. Mba hampirisihana antsika amin’izany, dia manome toky antsika i Petera hoe tena miahy antsika Andriamanitra, mandraka ankehitriny.

„Andriamanitra ô, tsy mihena na oviana na oviana ny fiahianao anay : na alina, na antoandro, dia manara-maso anay Ianao.”

Ry namana kristiana, ndao hiantehitra amin’ny fiahian’Ilay „Mpiandry Tsara” antsika, dia ny Tompo Jesosy.