Alahady 2 Aogositra 2026
(Hoy Jesosy :) Ny lanitra sy ny tany ho levona, fa ny teniko tsy mba ho levona. Lioka 21:33
Anio, raha hihaino ny feony ianareo, aza manamafy ny fonareo. Hebreo 4:7
„Ho avy indray Kristy — Hafatra ho an’ny olona ankehitriny” : ao anatin’io boky navoaka tamin’ny 1978 io, Norbert Hugedé, profesora any Sorbonne, ao Paris, dia nanambara hoe : „Jamba isika matoa mandà fa manakaiky ny fiafaran’ny tantaran’ity planeta misy antsika ity… Na iza na iza misahirana misaintsaina ny toejava-mitranga ankehitriny, dia tsy maintsy manaiky fa tonga eo amin’ny fara-na lalana tsy misy ivoahana intsony izao tontolo izao, eo amin’ny lafiny ara-toekarena, ara-piarahamonina, ara-pôlitika, eny fa ara-pivavahana ihany koa aza.”
Nanomboka tamin’ny taona 1978, na teo aza ny firoboroboana, ny fandrosoana, ary ireo resaka momba ny fandriampahalemana, dia maro ny miha mitebiteby hatrany mitsinjo ny hoavy, ka miteny hoe : inona no miandry antsika ?
Misy trangan-javatra lehibe ho an’izao tontolo izao efa antomotra : hiverina Jesosy Kristy ! „Fa ny tenan’ny Tompo no hidina avy any an-danitra… ka izay maty ao amin i Kristy no hitsangana, aloha ; ary rehefa afaka izany, dia isika izay velona ka mbola mitoetra no hakarina hiaraka aminy ho eny amin’ny rahona, hitsena ny Tompo any amin’ny habakabaka” (1 Tesaloniana 4:16-17).
Misy olona mety haneso, momba izany. Manambara izany koa ny Baiboly, hoe : „Amin’ny andro farany dia hisy mpaniratsira … manao hoe : Aiza ny teny fikasana ny amin’ny fiaviany ?” (2 Petera 3:3-4). Nefa ny fitsarana dia hiantonta amin’ny mponina eto ambonin’ny tany izay mandà tsy hino (2 Tesaloniana 2:10-12).
Maharipo Andriamanitra, mbola manolotra ny fahasoavany ho an’ny olona rehetra. Jesosy Kristy Zanany dia mamonjy ireo izay mino Azy, mba tsy hiharan’ny fitsarana. Ny sorona nataony teo amin’ny hazofijaliana no manafaka azy ireo amin’ny fanamelohana, ary mampitoetra azy ireo ao anaty fandriampahalemana mandrakizay. Rehefa hiverina Jesosy, dia ho diso aoriana loatra raha izay vao hanapa-kevitra. Fa anio ianao dia mbola afaka ho voavonjy.