Asabotsy 1 Aogositra 2026
Izy (Andriamanitra) efa nanendry andro iray, izay hitsarany izao tontolo izao amin’ny fahamarinana, amin’ny alalan’ny Lehilahy iray voatendriny, koa efa nanome vavolombelona hampino ny olona rehetra izany Izy, tamin’ny nananganany Azy tamin’ny maty. Asan’ny Apostoly 17:31
Amin’izany dia tsy misy fanamelohana ho an’izay ao amin’i Kristy Jesosy. Romana 8:1
Eo amina boaty-na sôkôlà dia ahitana soratra hoe : „Nahoana no hiresaka hoavy ? Aleo misitraka izao fotoana ankehitriny izao”. Tanjom-piainana ve ny faniriana eo no ho eo atao afa-po ? Tamin’ny andron’ny apostoly Paoly dia nisy mpino tany Korinto nanambara tamin’ny fomba hentitra fa tsy misy fitsanganan’ny maty. Noho izany dia nohazavain’i Paoly tamin’izy ireo hoe hitondra azy ireo amin’inona ny fandavana ny marina : raha tsy mino ny fitsanganan’ny maty ianareo, raha hoe tsy misy na inona na inona intsony aorianan’ny fahafatesana, raha tsy misy hoavy, dia aleo miaina izao fotoana ankehitriny izao, mitady fahafinaretana faran’izay betsaka. „Aoka isika hihinana sy hisotro, fa rahampitso dia ho faty” (1 Korintiana 15:32).
Koa nambaran’ny apostoly Paoly azy ireo fa tena nitsangana tamin’ny maty tokoa Jesosy : „Kristy maty noho ny fahotantsika, araka ny Soratra Masina, dia nalevina, ary natsangana tamin’ny andro fahatelo, araka ny Soratra Masina” (1 Korintiana 15:3-4). Olona maro, maherin’ny 500 (and 6), no nahita an’i Jesosy nitsangana velona indray, ary nijoro ho vavolombelon’izany.
Koa satria misy fitsanganan’ny maty, dia tsy ny fasana tsy akory no faran’ny fiainan’ny olona. „Tahaka ny nanendrena ny olona ny ho faty indray mandeha, ary rehefa afaka izany, dia hisy fitsarana” (Hebreo 9:27). Amin’izay ny ho Mpitsara dia Jesosy Kristy, Ilay Zanak’Andriamanitra, Izay efa tonga olona tetỳ an-tany. Mety hampitebiteby ny mihevitra ny hoavy, nefa aza miala amin’ny fiheverana ny hoavy isika, satria Andriamanitra dia te hanafaka antsika amin’ny vesatr’izany. Izy dia manolotra famelan-keloka maimaimpoana ho an’izay mino fa nozakain’i Jesosy ny famaizana mendrika ny fahotantsika : „Izay mino Azy dia tsy helohina” (Jaona 3:18).
Ankehitriny Jesosy dia maneho ny tenany amin’ny olona tsirairay ho Mpamonjy, fa tsy Mpitsara ; noho izany dia maika sady zava-dehibe ny mitodika aminy androany.