Zoma 31 Jolay 2026

Iza moa no tadiavinareo ? Jaona 18:4

Koa ankehitriny, ampitadiavo an’i Jehovah Andriamanitrareo ny fonareo sy ny fanahinareo. 1 Tantara 22:19

Ianao no hitady an’i Jehovah Andriamanitrao ka hahita Azy, raha mitady Azy amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra. Deoteronomia 4:29

 

Mila an’Andriamanitra ny olona

Nisy mpanoratra matoan-dahatsoratra an-gazety iray, namakafaka ny fahombiazan’ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny Tanora, hoe : „Mila an’Andriamanitra ny olona. Tsy maintsy mivoaka tao amin’ny tenany izy. Ny olona dia manonofy lanitra, famonjena, ny any ankoatra. Izany no tsy takatr’ireo andrianan’ny materialisma (toe-tsaina voamariky ny fikatsahana ny harena hita maso sy ny fahafinaretana). Ny fiarahamonina tsy misy an’Andriamanitra, izay omanina ho antsika, dia fiarahamonina matoatoa.”

Lazain’ny Baiboly hoe adala izay manao anakampo hoe : „Tsy misy Andriamanitra” (Salamo 14:1). Tsy afa-tsiny ny olona raha toa tsy mahay mamantatra, ao amin’ny voary, ny hery mandrakizain’ny Mpahary sy ny maha Andriamanitra Azy (Romana 1:20). Nefa io fahalalana io dia tsy ampy hanome fiadanam-po antsika. Ilay Andriamanitra lehibe Mpahary dia Andriamanitra Mpamonjy koa. Izy tenany mihitsy no nanambara hoe : „Tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izaho, dia Andriamanitra marina sady Mpamonjy ; eny, tsy misy afa-tsy Izaho. Mijere Ahy, dia ho voavonjy ianareo, ry vazan-tany rehetra !” (Isaia 45:21-22).

Izany fitaoman’Andriamanitra izany dia mampiseho ny fitiavany manontolo. „Andriamanitra, Mpamonjy antsika… tia ny olona rehetra hovonjena ka ho tonga amin’ny fahalalana ny marina. Fa iray no Andriamanitra, ary iray no Mpanalalana amin’Andriamanitra sy ny olona, dia Kristy Jesosy, Izay olona, sady nanolotra ny tenany ho avotra hisolo ny olona rehetra” (1 Timoty 2:3-6). Ndao hihaino tsara Ilay miteny toy izany avy any an-danitra. „Raha manaiky an’i Jesosy ho Tompo amin’ny vavanao ianao, ary mino amin’ny fonao fa Andriamanitra efa nanangana Azy tamin’ny maty, dia hovonjena ianao” (Romana 10:9).