Alakamisy 30 Jolay 2026

Hoy Jesosy taminy : Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana. Jaona 14:6

Fanilon’ny tongotro sy fanazavana ny làlako ny teninao. Salamo 119:105

 

Ny dongon-tany mifangaro vato (amin’ny teny frantsay : cairn)

Ianao angamba efa nahatazana irony dongon-tany miharo vato antsoina hoe „cairn” irony, marika mamefy lalana eny amina tany misy karaobato. Tena ilaina io famantarana io mba hanoroana lalana ny mpitsangantsangana, indrindra amin’ny fotoana misy zavona. Mandritra ny fiainantsika, isika koa dia mila „cairn” mba hitarika antsika any amin’ny lalana tokony haleha, lalana irin’Andriamanitra ho an’ny olombelona rehetra. Ity tontolo ity tokoa mantsy dia tahaka tany mikorontana, tsy misy famantarana mba hanampy antsika hahita an’Andriamanitra. Soa ihany fa tia antsika Andriamanitra, ary namela ho antsika fefy famantarana tsy mety diso, dia ny Baiboly, izay mirakitra ny „fahamarinan’ny teny mahatoky” (Ohabolana 22:21).

Ny „cairn” voalohany, izay tsy tokony hidifiantsika, dia ny hazofijalian’i Jesosy Kristy. Teo Ilay Zanak’Andriamanitra no nitondra ny vesatry ny fahamelohako, ary izany ankehitriny no ahafahako manatona an’Andriamanitra. Hoy Jesosy : „Izaho no vavahady ; raha Izaho no hidiran’ny olona, dia hovonjena izy” (Jaona 10:9).

Manaraka izany, ao amin’ny fiainana kristiana, tsy tokony ho diso lalana ny mpino, eo anivon’ity tontolo miha tsy manana soridalana harahina intsony amin’ny lafiny ara-toe-panahy ity. Afaka mifikitra amin’ireo marika famantarana ara-Baiboly azo antoka izy, dia ireo „cairns” maro mitandahatra eo amin’ireo safidiny, ireo antony manosika azy hanao zavatra, ireo laharam-pahamehany. Ny „cairns” sasantsasany dia sarotra avahana eo anivona antontam-bato midadasika ; tsy mora mandrakariva ny mamantatra ny sitrapon’Andriamanitra ao anaty tontolo manodidina anafangaroana kokoa hatrany ny tsara sy ny ratsy ! Te hanazava antsika Andriamanitra, amin’ny alalan’ny Teniny sy ny Fanahiny. Tsy miteny amintsika ve Izy hoe : „Hanome saina anao sy hampianatra anao izay làlan-kalehanao Aho” (Salamo 32:8) ?