Alarobia 29 Jolay 2026
Fa Kristy koa aza efa nijaly indray mandeha noho ny ota, ny Marina hamonjy ny tsy marina. 1 Petera 3:18
Fony mbola mpanota isika, dia maty hamonjy antsika Kristy. Romana 5:8
Tsy milamin-tsaina i Léo.
— Tena mino ny Tompo Jesosy tokoa ve aho ? Indraindray aho mahatsiaro ny tenako ho sambatra, indraindray tsy mahatsapa na inona na inona. Raha Azy aho, tokony hahatsapa izany ve ?
Nahamarika ny endriny maloka i Luc, ka nanontany azy.
— Navitribitrika noho izao ianao omaly, ry Léo an !
— Ie, toa mihevitra aho fa mino an’i Jesosy, mino ny famelany heloka, satria tena tsy lavorary mihitsy, nefa feno fisalasalana aho matetika… Ahoana no hananana antoka fa Azy tokoa, nafahana, novonjena ?
Nanokatra ny Baiboliny i Luc, ary namaky taminy ireo teny eo ambony ireo. Avy eo dia nanontany azy hoe :
— Ianao ve, ry Léo, anisan’ireo tsy marina, mpanota, ary tsy mino an’Andriamanitra ?
— Indrisy, tena resy lahatra ny amin’izany aho ! hoy i Léo, hentitra namaly.
— Raha izany no izy, Kristy dia maty marina tokoa ho anao ! Ambaran’ny Baiboly fa maty ho an’ny olona mpanota Izy, ho an’ny tsy marina sy ny tsy mino an’Andriamanitra. Raha mahatsapa ho izany ianao, dia tena ho anao tokoa no nahafatesan’ny Kristy. Raha mino izay lazainy ianao, Jesosy dia nisolo toerana anao, nanefa ny saran’ireo fahotanao, Azy ianao, voavonjy ianao. Tsotra fotsiny toy izany ! Mariho tsara fa Andriamanitra no miteny izany, tsy misy ifandraisany amin’izay tsapanao. Raha mitoky amin’ny fihetsehamponao ianao, dia miantehitra amin’ny fasika mitelina, izay ilentehanao kokoa hatrany. Tsy hahazo antoka mihitsy na amin’inona na amin’inona ianao ! Tsy fahatsapana hoe voavonjy no resaka. Mba hialanao amin’ny fisalasalanao, dia minoa izay nolazain’Andriamanitra : Jesosy, teo amin’ny hazofijaliana, dia efa nahatanteraka ny zavatra rehetra, tamin’ny fomba lavorary. Raha manambara zavatra Andriamanitra anio, tsy hoe mba hilazany ny mifanohitra amin’izany rahampitso. Ambarany fa maty ho anao Kristy. Rehefa mino izany ianao, dia voavonjy ho mandrakizay !