Talata 28 Jolay 2026

Efa mby akaiky ny Tompo. Filipiana 4:5

Fa, izaho, dia ny ho akaikin’Andriamanitra no mahatsara ahy. Salamo 73:28

 

Akaiky ve Jesosy sa lavitra ?

Fantatsika tsara fa tia antsika Andriamanitra, nefa ve isika tsy mahatsapa indraindray fa somary manalavitra antsika Izy ? Ao amin’ireo filazantsara, ny mpianatra ihany koa dia mety nahatsapa ho somary akaiky an’i Jesosy ihany, arakaraka ny toejava-mitranga.

Hitantsika ao amin’ny Marka 6:30-52 fa ny hariva-na tontolo andro iray niasana mafy, Jesosy dia nikarakara ny mpianany, izay sasatra, ka niteny taminy hoe : „Avia ianareo hitokana any an-tany foana, ka mialà sasatra kelikely”. Fotoana nahazoana aina tokoa moa, tamin’izay ! ny niarahan’izy ireo tamin’ny Mpampianatra malalany.

Nefa tsy naharitra ela ilay fialan-tsasatra, ary Jesosy dia nanomboka nampianatra vahoaka nankeo aminy. Tonga ny hariva, namahana ireo olona rehetra ireo tamin’ny fomba mahagaga Jesosy ; dia nandao azy. Avy eo Izy dia nandidy ny mpianany hiampita ny farihy ; izany dia hahavoatery azy ireo hiatrika tafiodrivotra samirery. Indro fa nahilangilan’ny rano ny sambokelin’izy ireo, tsy teo ny Mpampianatra azy ireo. Toa lavitra erỳ ilay fotoana feno fitahiana niarahany taminy, ora vitsivitsy talohan’io ! Nahoana moa Izy no tsy niaraka tamin’izy ireo ? Dia ho nanadino azy ireo ve Izy ? Tsia, fa nankeny amin’izy ireo Izy, nandeha teny ambony rano, ary nampitony ny tafiotra. Nikarakara ny vahoaka noana Jesosy, ary namonjy koa ny mpianatra ambava loza.

Eo amin’ny fiainana maha kristiana ahy, dia misy fotoana isitrahako ny fanatrehan’i Jesosy, milamina ny zavatra rehetra. Nefa indro aho fa mikofokofoka anaty zava-tsarotra tsy hay vahana, dia toa lavitra aoka izany Jesosy, amiko… Tsia, tia ahy amina fitiavana tsy miova Izy, te hanao izay hahatakarako fa tena eo akaiky eo, na ao anatin’ireo tafiodrivotra aho, na ao anatin’ireo fifaliako. Ary te hampiaina tanteraka ahy ny andinin-tSoratra Masina hoe : „Fa, izaho, dia ny ho akaikin’Andriamanitra no mahatsara ahy” (Salamo 73:28).