Alatsinainy 27 Jolay 2026
Jehovah ô, efa nandinika ahy Ianao ka mahalala ahy. Ianao no mahalala ny fipetrako sy ny fitsangako, sady mahafantatra ny hevitro eny lavitra eny. Voadinikao ny toetrako, na mandeha aho, na mandry ; ary fantatrao tsara ny alehako rehetra. Salamo 139:1-3
Tany Brésil no niseho ny tantara. Nisy mpangalatra niditra tao amina trano iray, indray hariva. Nefa indro fa niakatra tao amin’ny efitrano nisy azy ny mpianakavy. Nisitrika avy hatrany tao ambany farafara izy. Nipetraka ilay raim-pianakaviana, nandray ny Baiboly ary namaky toy ny fanao mahazatra. Samy nihaino tsara ny rehetra, avy eo dia nametraka fanontaniana ny ankizy, hany ka nahare ny fifampizarana rehetra ihany koa ilay mpangalatra, ary talanjona noho ny fiadanana manjaka ao amin’io ankohonana io. Indreo fa nandohalika avokoa izy rehetra mba hivavaka. Toy ny miresaka amina sakaiza eo anoloany ilay raim-pianakaviana. Nangatahiny tam-patokiana tamin’Andriamanitra ny hiarovana ny tsirairay amin’ny ratsy sy hitehirizana azy ao amin’ny fitiavana an’i Jesosy sy ny namana.
Nony farany dia nivoaka ny efitrano ny rehetra, ary nanjary nangina ny trano. Natory ny tsirairay. Nandady moramora niala tao amin’ny toerana niafenany ilay mpangalatra, ka nangovitra nandao haingana ny trano. Tsy nitondra izy afa-tsy… ilay boky maintimainty mahagaga najanona teo ambony latabatra, dia Baiboly, ka liana namaky azy. Resy lahatra aza izy fa miteny aminy Andriamanitra. Ho ao anatin’ity boky ity àry ve ny tsiambaratelon’ny tena fahasambarana ? Nandeha ny volana maro, ary indray andro dia nanatona an’Andriamanitra izy ary nivavaka, niaiky taminy ny fahotany. Manana antoka izy ankehitriny fa voavela heloka, noho ny sorona nataon’i Jesosy teo amin’ny hazofijaliana.
Nanjary harena sarobidy ho azy ilay Baiboly, saingy tsy azy, ary takany fa tokony haveriny amin’ny tompony. Dia iny izy nankany amin’ny tompony, ary nitantara taminy ny tantarany… Vokatr’izany, tao amin’ilay efitrano teo ihany dia niara-nandohalika ilay raim-pianakaviana sy ilay mpangalatra, nisaotra ny Tompo noho ny nanaovany azy ireo ho mpirahalahy ao amin’i Jesosy Kristy.